Psalms 42

(可拉后裔的训诲诗,交与伶长。) 神啊,我的心切慕你,如鹿切慕溪水。
Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
我的心渴想 神,就是永生 神;我几时得朝见 神呢?
Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
我昼夜以眼泪当饮食;人不住地对我说:你的 神在哪里呢?
Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
我从前与众人同往,用欢呼称讚的声音领他们到 神的殿里,大家守节。我追想这些事,我的心极其悲伤。
Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
我的心哪,你为何忧闷?为何在我里面烦躁?应当仰望 神,因他笑脸帮助我;我还要称讚他。
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
我的 神啊,我的心在我里面忧闷,所以我从约旦地,从黑门岭,从米萨山记念你。
Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
你的瀑布发声,深渊就与深渊响应;你的波浪洪涛漫过我身。
Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
白昼,耶和华必向我施慈爱;黑夜,我要歌颂祷告赐我生命的 神。
Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
我要对 神─我的磐石说:你为何忘记我呢?我为何因仇敌的欺压时常哀痛呢?
Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
我的敌人辱骂我,好像打碎我的骨头,不住地对我说:你的 神在哪里呢?
Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?
我的心哪,你为何忧闷?为何在我里面烦躁?应当仰望 神,因我还要称讚他。他是我脸上的光荣(原文是帮助),是我的 神。
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.