Psalms 40

(大卫的诗,交与伶长。)我曾耐性等候耶和华;他垂听我的呼求。
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
他从祸坑里,从淤泥中,把我拉上来,使我的脚立在磐石上,使我脚步稳当。
Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
他使我口唱新歌,就是讚美我们 神的话。许多人必看见而惧怕,并要倚靠耶和华。
Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah.
那倚靠耶和华、不理会狂傲和偏向虚假之辈的,这人便为有福!
Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
耶和华─我的 神啊,你所行的奇事,并你向我们所怀的意念甚多,不能向你陈明。若要陈明,其事不可胜数。
Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
祭物和礼物,你不喜悦;你已经开通我的耳朵。燔祭和赎罪祭非你所要。
Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
那时我说:看哪,我来了!我的事在经卷上已经记载了。
Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
我的 神啊,我乐意照你的旨意行;你的律法在我心里。
Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
我在大会中宣传公义的佳音;我必不止住我的嘴唇。耶和华啊,这是你所知道的。
Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
我未曾把你的公义藏在心里;我已陈明你的信实和你的救恩;我在大会中未曾隐瞒你的慈爱和诚实。
Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
耶和华啊,求你不要向我止住你的慈悲!愿你的慈爱和诚实常常保佑我!
Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
因有无数的祸患围困我,我的罪孽追上了我,使我不能昂首;这罪孽比我的头发还多,我就心寒胆战。
Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
耶和华啊,求你开恩搭救我!耶和华啊,求你速速帮助我!
Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
愿那些寻找我、要灭我命的,一同抱愧蒙羞!愿那些喜悦我受害的,退后受辱!
Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
愿那些对我说阿哈、阿哈的,因羞愧而败亡!
Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
愿一切寻求你的,因你高兴欢喜!愿那些喜爱你救恩的,常说:当尊耶和华为大!
Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
但我是困苦穷乏的,主仍顾念我;你是帮助我的,搭救我的。 神啊,求你不要耽延!
Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.