Psalms 39

(大卫的诗,交与伶长耶杜顿。)我曾说:我要谨慎我的言行,免得我舌头犯罪;恶人在我面前的时候,我要用嚼环勒住我的口。
Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
我默然无声,连好话也不出口;我的愁苦就发动了,
Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.
我的心在我里面发热。我默想的时候,火就烧起,我便用舌头说话。
Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
耶和华啊,求你叫我晓得我身之终!我的寿数几何?叫我知道我的生命不长!
Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
你使我的年日窄如手掌;我一生的年数,在你面前如同无有。各人最稳妥的时候,真是全然虚幻。(细拉)
Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.
世人行动实系幻影。他们忙乱,真是枉然;积蓄财宝,不知将来有谁收取。
Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
主啊,如今我等什么呢?我的指望在乎你!
Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
求你救我脱离一切的过犯,不要使我受愚顽人的羞辱。
Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
因我所遭遇的是出于你,我就默然不语。
Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
求你把你的责罚从我身上免去;因你手的责打,我便消灭。
Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
你因人的罪恶惩罚他的时候,叫他的笑容(的笑容:或译所喜爱的)消灭,如衣被虫所咬。世人真是虚幻!(细拉)
Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
耶和华啊,求你听我的祷告,留心听我的呼求!我流泪,求你不要静默无声!因为我在你面前是客旅,是寄居的,像我列祖一般。
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
求你宽容我,使我在去而不返之先可以力量复原。
Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.