Psalms 35

(大卫的诗。)耶和华啊,与我相争的,求你与他们相争!与我相战的,求你与他们相战!
Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
拿著大小的盾牌,起来帮助我。
Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
抽出枪来,挡住那追赶我的;求你对我的灵魂说:我是拯救你的。
Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
愿那寻索我命的,蒙羞受辱!愿那谋害我的,退后羞愧!
Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
愿他们像风前的糠,有耶和华的使者赶逐他们。
Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
愿他们的道路又暗又滑,有耶和华的使者追赶他们。
Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
因他们无故地为我暗设网罗,无故地挖坑,要害我的性命。
Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
愿灾祸忽然临到他身上!愿他暗设的网缠住自己!愿他落在其中遭灾祸!
Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.
我的心必靠耶和华快乐,靠他的救恩高兴。
Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
我的骨头都要说:耶和华啊,谁能像你救护困苦人脱离那比他强壮的,救护困苦穷乏人脱离那抢夺他的?
Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
凶恶的见证人起来,盘问我所不知道的事。
Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
他们向我以恶报善,使我的灵魂孤苦。
Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
至于我,当他们有病的时候,我便穿麻衣,禁食,刻苦己心;我所求的都归到自己的怀中。
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
我这样行,好像他是我的朋友,我的弟兄;我屈身悲哀,如同人为母亲哀痛。
Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.
我在患难中,他们却欢喜,大家聚集。我所不认识的那些下流人聚集攻击我;他们不住地把我撕裂。
Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
他们如同席上好嬉笑的狂妄人向我咬牙。
Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
主啊,你看著不理要到几时呢?求你救我的灵魂脱离他们的残害!救我的生命(生命:原文是独一者)脱离少壮狮子!
Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
我在大会中要称谢你,在众民中要讚美你。
Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
求你不容那无理与我为仇的向我夸耀!不容那无故恨我的向我挤眼!
Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
因为他们不说和平话,倒想出诡诈的言语害地上的安静人。
Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
他们大大张口攻击我,说:阿哈,阿哈,我们的眼已经看见了!
Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
耶和华啊,你已经看见了,求你不要闭口!主啊,求你不要远离我!
Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
我的 神我的主啊,求你奋兴醒起,判清我的事,伸明我的冤!
Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko.
耶和华─我的 神啊,求你按你的公义判断我,不容他们向我夸耀!
Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.
不容他们心里说:阿哈,遂我们的心愿了!不容他们说:我们已经把他吞了!
Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
愿那喜欢我遭难的一同抱愧蒙羞!愿那向我妄自尊大的披惭愧,蒙羞辱!
Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
愿那喜悦我冤屈得伸的(冤屈得伸:原文是公义)欢呼快乐;愿他们常说:当尊耶和华为大!耶和华喜悦他的仆人平安。
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.
我的舌头要终日论说你的公义,时常讚美你。
Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.