Psalms 30

(大卫在献殿的时候,作这诗歌。)耶和华啊,我要尊崇你,因为你曾提拔我,不叫仇敌向我夸耀。
Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
耶和华─我的 神啊,我曾呼求你,你医治了我。
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
耶和华啊,你曾把我的灵魂从阴间救上来,使我存活,不至于下坑。
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.
耶和华的圣民哪,你们要歌颂他,称讚他可记念的圣名。
Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.
因为,他的怒气不过是转眼之间;他的恩典乃是一生之久。一宿虽然有哭泣,早晨便必欢呼。
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
至于我,我凡事平顺便说:我永不动摇。
Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.
耶和华啊,你曾施恩,叫我的江山稳固;你掩了面,我就惊惶。
Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
耶和华啊,我曾求告你;我向耶和华恳求,说:
Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
我被害流血,下到坑中,有什么益处呢?尘土岂能称讚你,传说你的诚实么?
Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
耶和华啊,求你应允我,怜恤我!耶和华啊,求你帮助我!
Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
你已将我的哀哭变为跳舞,将我的麻衣脱去,给我披上喜乐,
Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
好叫我的灵(原文是荣耀)歌颂你,并不住声。耶和华─我的 神啊,我要称谢你,直到永远!
Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.