Psalms 20

(大卫的诗,交与伶长。)愿耶和华在你遭难的日子应允你;愿名为雅各 神的高举你。
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
愿他从圣所救助你,从锡安坚固你,
Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
记念你的一切供献,悦纳你的燔祭,(细拉)
Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
将你心所愿的赐给你,成就你的一切筹算。
Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
我们要因你的救恩夸胜,要奉我们 神的名竖立旌旗。愿耶和华成就你一切所求的!
Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
现在我知道耶和华救护他的受膏者,必从他的圣天上应允他,用右手的能力救护他。
Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
有人靠车,有人靠马,但我们要提到耶和华─我们 神的名。
Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
他们都屈身仆倒,我们却起来,立得正直。
Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
求耶和华施行拯救;我们呼求的时候,愿王应允我们!
Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.