Psalms 2

外邦为什么争闹?万民为什么谋算虚妄的事?
Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
世上的君王一齐起来,臣宰一同商议,要敌挡耶和华并他的受膏者,
Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
说:我们要挣开他们的捆绑,脱去他们的绳索。
"Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
那坐在天上的必发笑;主必嗤笑他们。
Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
那时,他要在怒中责备他们,在烈怒中惊吓他们,
Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
说:我已经立我的君在锡安─我的圣山上了。
"Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
受膏者说:我要传圣旨。耶和华曾对我说:你是我的儿子,我今日生你。
"Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
你求我,我就将列国赐你为基业,将地极赐你为田产。
Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
你必用铁杖打破他们;你必将他们如同窑匠的瓦器摔碎。
Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
现在,你们君王应当省悟!你们世上的审判官该受管教!
Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
当存畏惧事奉耶和华,又当存战兢而快乐。
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
当以嘴亲子,恐怕他发怒,你们便在道中灭亡,因为他的怒气快要发作。凡投靠他的,都是有福的。
Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.