Psalms 19

(大卫的诗,交与伶长。)诸天述说 神的荣耀;穹苍传扬他的手段。
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
这日到那日发出言语;这夜到那夜传出知识。
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
无言无语,也无声音可听。
Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
它的量带通遍天下,它的言语传到地极。 神在其间为太阳安设帐幕;
Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;
太阳如同新郎出洞房,又如勇士欢然奔路。
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
它从天这边出来,绕到天那边,没有一物被隐藏不得它的热气。
Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
耶和华的律法全备,能甦醒人心;耶和华的法度确定,能使愚人有智慧。
Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
耶和华的训词正直,能快活人的心;耶和华的命令清洁,能明亮人的眼目。
Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
耶和华的道理洁净,存到永远;耶和华的典章真实,全然公义─
Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
都比金子可羨慕,且比极多的精金可羨慕;比蜜甘甜,且比蜂房下滴的蜜甘甜。
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
况且你的仆人因此受警戒,守著这些便有大赏。
Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
谁能知道自己的错失呢?愿你赦免我隐而未现的过错。
Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
求你拦阻仆人不犯任意妄为的罪,不容这罪辖制我,我便完全,免犯大罪。
Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
耶和华─我的磐石,我的救赎主啊,愿我口中的言语、心里的意念在你面前蒙悦纳。
Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.