Psalms 144

(大卫的诗。)耶和华─我的磐石是应当称颂的!他教导我的手争战,教导我的指头打仗。
Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
他是我慈爱的主,我的山寨,我的高台,我的救主,我的盾牌,是我所投靠的;他使我的百姓服在我以下。
Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
耶和华啊,人算什么,你竟认识他!世人算什么,你竟顾念他!
Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy?
人好像一口气;他的年日如同影儿快快过去。
Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
耶和华啊,求你使天下垂,亲自降临,摸山,山就冒烟。
Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
求你发出闪电,使他们四散,射出你的箭,使他们扰乱。
Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
求你从上伸手救拔我,救我出离大水,救我脱离外邦人的手。
Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,
他们的口说谎话;他们的右手起假誓。
Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
 神啊,我要向你唱新歌,用十弦瑟向你歌颂。
Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
你是那拯救君王的;你是那救仆人大卫脱离害命之刀的。
Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.
求你救拔我,救我脱离外邦人的手。他们的口说谎话;他们的右手起假誓。
Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
我们的儿子从幼年好像树栽子长大;我们的女儿如同殿角石,是按建宫的样式凿成的。
Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
我们的仓盈满,能出各样的粮食;我们的羊在田间孳生千万。
Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
我们的牛驮著满驮,没有人闯进来抢夺,也没有人出去争战;我们的街市上也没有哭号的声音。
Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.
遇见这光景的百姓便为有福!有耶和华为他们的 神,这百姓便为有福!
Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.