Psalms 138

(大卫的诗。)我要一心称谢你,在诸神面前歌颂你。
Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
我要向你的圣殿下拜,为你的慈爱和诚实称讚你的名;因你使你的话显为大,过于你所应许的(或译:超乎你的名声)。
Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra.
我呼求的日子,你就应允我,鼓励我,使我心里有能力。
Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
耶和华啊,地上的君王都要称谢你,因他们听见了你口中的言语。
Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.
他们要歌颂耶和华的作为,因耶和华大有荣耀。
Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.
耶和华虽高,仍看顾低微的人;他却从远处看出骄傲的人。
Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
我虽行在患难中,你必将我救活;我的仇敌发怒,你必伸手抵挡他们;你的右手也必救我。
Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
耶和华必成全关乎我的事;耶和华啊,你的慈爱永远长存!求你不要离弃你手所造的。
Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.