Psalms 137

我们曾在巴比伦的河边坐下,一追想锡安就哭了。
Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
我们把琴挂在那里的柳树上;
Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
因为在那里,掳掠我们的要我们唱歌,抢夺我们的要我们作乐,说:给我们唱一首锡安歌吧!
Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
我们怎能在外邦唱耶和华的歌呢?
Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
耶路撒冷啊,我若忘记你,情愿我的右手忘记技巧!
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
我若不记念你,若不看耶路撒冷过于我所最喜乐的,情愿我的舌头贴于上膛!
Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
耶路撒冷遭难的日子,以东人说:拆毁!拆毁!直拆到根基!耶和华啊,求你记念这仇!
Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
将要被灭的巴比伦城啊(城:原文是女子),报复你像你待我们的,那人便为有福!
Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
拿你的婴孩摔在磐石上的,那人便为有福!
Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.