Psalms 128

(上行之诗。)凡敬畏耶和华、遵行他道的人便为有福!
Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.
你要吃劳碌得来的;你要享福,事情顺利。
Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
你妻子在你的内室,好像多结果子的葡萄树;你儿女围绕你的桌子,好像橄榄栽子。
Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
看哪,敬畏耶和华的人必要这样蒙福!
Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
愿耶和华从锡安赐福给你!愿你一生一世看见耶路撒冷的好处!
Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.
愿你看见你儿女的儿女!愿平安归于以色列!
Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.