Psalms 122

(大卫上行之诗。)人对我说:我们往耶和华的殿去,我就欢喜。
Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.
耶路撒冷啊,我们的脚站在你的门内。
Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
耶路撒冷被建造,如同连络整齐的一座城。
Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
众支派,就是耶和华的支派,上那里去,按以色列的常例(或译:作以色列的证据)称讚耶和华的名。
Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
因为在那里设立审判的宝座,就是大卫家的宝座。
Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
你们要为耶路撒冷求平安!耶路撒冷啊,爱你的人必然兴旺!
Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
愿你城中平安!愿你宫内兴旺!
Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
因我弟兄和同伴的缘故,我要说:愿平安在你中间!
Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
因耶和华─我们 神殿的缘故,我要为你求福!
Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.