Psalms 116

我爱耶和华,因为他听了我的声音和我的恳求。
Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
他既向我侧耳,我一生要求告他。
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
死亡的绳索缠绕我;阴间的痛苦抓住我;我遭遇患难愁苦。
Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
那时,我便求告耶和华的名,说:耶和华啊,求你救我的灵魂!
Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
耶和华有恩惠,有公义;我们的 神以怜悯为怀。
Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
耶和华保护愚人;我落到卑微的地步,他救了我。
Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
我的心哪!你要仍归安乐,因为耶和华用厚恩待你。
Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
主啊,你救我的命免了死亡,救我的眼免了流泪,救我的脚免了跌倒。
Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
我要在耶和华面前行活人之路。
Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
我因信,所以如此说话;我受了极大的困苦。
Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
我曾急促地说:人都是说谎的!
Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
我拿什么报答耶和华向我所赐的一切厚恩?
Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
我要举起救恩的杯,称扬耶和华的名。
Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
我要在他众民面前向耶和华还我的愿。
Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.
在耶和华眼中,看圣民之死极为宝贵。
Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
耶和华啊,我真是你的仆人;我是你的仆人,是你婢女的儿子。你已经解开我的绑索。
Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
我要以感谢为祭献给你,又要求告耶和华的名。
Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
我要在他众民面前,在耶和华殿的院内,在耶路撒冷当中,向耶和华还我的愿。你们要讚美耶和华!
Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,
并入18节
Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.