Psalms 107

你们要称谢耶和华,因他本为善;他的慈爱永远长存!
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
愿耶和华的赎民说这话,就是他从敌人手中所救赎的,
Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo,
从各地,从东从西,从南从北,所招聚来的。
Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina.
他们在旷野荒地漂流,寻不见可住的城邑,
Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
又饥又渴,心里发昏。
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
于是,他们在苦难中哀求耶和华;他从他们的祸患中搭救他们,
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
又领他们行走直路,使他们往可居住的城邑。
Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
但愿人因耶和华的慈爱和他向人所行的奇事都称讚他;
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
因他使心里渴慕的人得以知足,使心里饥饿的人得饱美物。
Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
那些坐在黑暗中、死荫里的人被困苦和铁鍊捆锁,
Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
是因他们违背 神的话语,藐视至高者的旨意。
Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
所以,他用劳苦治服他们的心;他们仆倒,无人扶助。
Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
于是,他们在苦难中哀求耶和华;他从他们的祸患中拯救他们。
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
他从黑暗中和死荫里领他们出来,折断他们的绑索。
Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
但愿人因耶和华的慈爱和他向人所行的奇事都称讚他;
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
因为他打破了铜门,砍断了铁闩。
Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
愚妄人因自己的过犯和自己的罪孽便受苦楚。
Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
他们心里厌恶各样的食物,就临近死门。
Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
于是,他们在苦难中哀求耶和华;他从他们的祸患中拯救他们。
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
他发命医治他们,救他们脱离死亡。
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
但愿人因耶和华的慈爱和他向人所行的奇事都称讚他。
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
愿他们以感谢为祭献给他,欢呼述说他的作为!
Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
在海上坐船,在大水中经理事务的,
Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe
他们看见耶和华的作为,并他在深水中的奇事。
No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
因他一吩咐,狂风就起来,海中的波浪也扬起。
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
他们上到天空,下到海底;他们的心因患难便消化。
Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
他们摇摇晃晃,东倒西歪,好像醉酒的人;他们的智慧无法可施。
Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
于是,他们在苦难中哀求耶和华,他从他们的祸患中领出他们来。
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
他使狂风止息,波浪就平静。
Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
风息浪静,他们便欢喜;他就引他们到所愿去的海口。
Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
但愿人因耶和华的慈爱和他向人所行的奇事都称讚他。
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
愿他们在民的会中尊崇他,在长老的位上讚美他!
Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona.
他使江河变为旷野,叫水泉变为干渴之地,
Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
使肥地变为碱地;这都因其间居民的罪恶。
Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
他使旷野变为水潭,叫旱地变为水泉。
Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
他使饥饿的人住在那里,好建造可住的城邑,
Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
又种田地,栽葡萄园,得享所出的土产。
Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
他又赐福给他们,叫他们生养众多,也不叫他们的牲畜减少。
Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
他们又因暴虐、患难、愁苦,就减少且卑下。
Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
他使君王蒙羞被辱,使他们在荒废无路之地漂流。
Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
他却将穷乏人安置在高处,脱离苦难,使他的家属多如羊群。
Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
正直人看见就欢喜;罪孽之辈必塞口无言。
Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
凡有智慧的,必在这些事上留心,也必思想耶和华的慈爱。
Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.