Psalms 101

(大卫的诗)。我要歌唱慈爱和公平;耶和华啊,我要向你歌颂!
Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
我要用智慧行完全的道。你几时到我这里来呢?我要存完全的心行在我家中。
Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.
邪僻的事,我都不摆在我眼前;悖逆人所做的事,我甚恨恶,不容沾在我身上。
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
弯曲的心思,我必远离;一切的恶人(或译:恶事),我不认识。
Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
在暗中谗谤他邻居的,我必将他灭绝;眼目高傲、心里骄纵的,我必不容他。
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
我眼要看国中的诚实人,叫他们与我同住;行为完全的,他要伺候我。
Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.
行诡诈的,必不得住在我家里;说谎话的,必不得立在我眼前。
Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.
我每日早晨要灭绝国中所有的恶人,好把一切作孽的从耶和华的城里剪除。
Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.