Psalms 10

耶和华啊,你为什么站在远处?在患难的时候为什么隐藏?
Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
恶人在骄横中把困苦人追得火急;愿他们陷在自己所设的计谋里。
Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.
因为恶人以心愿自夸;贪财的背弃耶和华,并且轻慢他(或译:他祝福贪财的,却轻慢耶和华)。
Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
恶人面带骄傲,说:耶和华必不追究;他一切所想的都以为没有 神。
Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.
凡他所做的,时常稳固;你的审判超过他的眼界。至于他一切的敌人,他都向他们喷气。
Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
他心里说:我必不动摇,世世代代不遭灾难。
Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
他满口是咒骂、诡诈、欺压,舌底是毒害、奸恶。
Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
他在村庄埋伏等候;他在隐密处杀害无辜的人。他的眼睛窥探无倚无靠的人;
Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
他埋伏在暗地,如狮子蹲在洞中。他埋伏,要掳去困苦人;他拉网,就把困苦人掳去。
Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
他屈身蹲伏,无倚无靠的人就倒在他爪牙(爪牙:或译强暴人)之下。
Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
他心里说: 神竟忘记了;他掩面永不观看。
Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
耶和华啊,求你起来! 神啊,求你举手,不要忘记困苦人!
Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
恶人为何轻慢 神,心里说:你必不追究?
Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
其实你已经观看;因为奸恶毒害,你都看见了,为要以手施行报应。无倚无靠的人把自己交托你;你向来是帮助孤儿的。
Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
愿你打断恶人的膀臂;至于坏人,愿你追究他的恶,直到净尽。
Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
耶和华永永远远为王;外邦人从他的地已经灭绝了。
Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.
耶和华啊,谦卑人的心愿,你早已知道(原文是听见)。你必预备他们的心,也必侧耳听他们的祈求,
Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
为要给孤儿和受欺压的人伸冤,使强横的人不再威吓他们。
Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.