Proverbs 9

智慧建造房屋,凿成七根柱子,
Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
宰杀牲畜,调和旨酒,设摆筵席;
Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
打发使女出去,自己在城中至高处呼叫,
Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
说:谁是愚蒙人,可以转到这里来!又对那无知的人说:
Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
你们来,吃我的饼,喝我调和的酒。
Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
你们愚蒙人,要舍弃愚蒙,就得存活,并要走光明的道。
Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.
指斥亵慢人的,必受辱骂;责备恶人的,必被玷污。
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
不要责备亵慢人,恐怕他恨你;要责备智慧人,他必爱你。
Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
教导智慧人,他就越发有智慧;指示义人,他就增长学问。
Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
敬畏耶和华是智慧的开端;认识至圣者便是聪明。
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
你借著我,日子必增多,年岁也必加添。
Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
你若有智慧,是与自己有益;你若亵慢,就必独自担当。
Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
愚昧的妇人喧嚷;她是愚蒙,一无所知。
Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
她坐在自己的家门口,坐在城中高处的座位上,
Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
呼叫过路的,就是直行其道的人,
Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
说:谁是愚蒙人,可以转到这里来!又对那无知的人说:
Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
偷来的水是甜的,暗吃的饼是好的。
Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
人却不知有阴魂在她那里;她的客在阴间的深处。
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.