Proverbs 30

雅基的儿子亚古珥的言语就是真言。这人对以铁和乌甲说:
Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:
我比众人更蠢笨,也没有人的聪明。
Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho.
我没有学好智慧,也不认识至圣者。
Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
谁升天又降下来?谁聚风在掌握中?谁包水在衣服里?谁立定地的四极?他名叫什么?他儿子名叫什么?你知道吗?
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
 神的言语句句都是炼净的;投靠他的,他便作他们的盾牌。
Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
他的言语,你不可加添,恐怕他责备你,你就显为说谎言的。
Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
我求你两件事,在我未死之先,不要不赐给我:
Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
求你使虚假和谎言远离我;使我也不贫穷也不富足;赐给我需用的饮食,
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
恐怕我饱足不认你,说:耶和华是谁呢?又恐怕我贫穷就偷窃,以致亵渎我 神的名。
Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.
你不要向主人谗谤仆人,恐怕他咒诅你,你便算为有罪。
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
有一宗人(宗:原文是代;下同),咒诅父亲,不给母亲祝福。
Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
有一宗人,自以为清洁,却没有洗去自己的污秽。
Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
有一宗人,眼目何其高傲,眼皮也是高举。
Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
有一宗人,牙如剑,齿如刀,要吞灭地上的困苦人和世间的穷乏人。
Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
蚂蟥有两个女儿,常说:给呀,给呀!有三样不知足的,连不说够的共有四样:
Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
就是阴间和石胎,浸水不足的地,并火。
Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.
戏笑父亲、藐视而不听从母亲的,他的眼睛必为谷中的乌鸦啄出来,为鹰雏所吃。
Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
我所测不透的奇妙有三样,连我所不知道的共有四样:
Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
就是鹰在空中飞的道;蛇在磐石上爬的道;船在海中行的道;男与女交合的道。
Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
淫妇的道也是这样:她吃了,把嘴一擦就说:我没有行恶。
Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
使地震动的有三样,连地担不起的共有四样:
Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
就是仆人作王;愚顽人吃饱;
Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
丑恶的女子出嫁;婢女接续主母。
Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
地上有四样小物,却甚聪明:
Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
蚂蚁是无力之类,却在夏天预备粮食。
Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
沙番是软弱之类,却在磐石中造房。
Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
蝗虫没有君王,却分队而出。
Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
守宫用爪抓墙,却住在王宫。
Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.
步行威武的有三样,连行走威武的共有四样:
Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
就是狮子─乃百兽中最为猛烈、无所躲避的,
Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
猎狗,公山羊,和无人能敌的君王。
Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
你若行事愚顽,自高自傲,或是怀了恶念,就当用手摀口。
Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
摇牛奶必成奶油;扭鼻子必出血。照样,激动怒气必起争端。
Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.