Proverbs 29

人屡次受责罚,仍然硬著颈项;他必顷刻败坏,无法可治。
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
义人增多,民就喜乐;恶人掌权,民就叹息。
Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
爱慕智慧的,使父亲喜乐;与妓女结交的,却浪费钱财。
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
王借公平,使国坚定;索要贿赂,使国倾败。
Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
谄媚邻舍的,就是设网罗绊他的脚。
Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
恶人犯罪,自陷网罗;惟独义人欢呼喜乐。
Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
义人知道查明穷人的案;恶人没有聪明,就不得而知。
Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
亵慢人煽惑通城;智慧人止息众怒。
Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
智慧人与愚妄人相争,或怒或笑,总不能使他止息。
Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
好流人血的,恨恶完全人,索取正直人的性命。
Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
愚妄人怒气全发;智慧人忍气含怒。
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
君王若听谎言,他一切臣仆都是奸恶。
Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
贫穷人、强暴人在世相遇;他们的眼目都蒙耶和华光照。
Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.
君王凭诚实判断穷人;他的国位必永远坚立。
Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
杖打和责备能加增智慧;放纵的儿子使母亲羞愧。
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
恶人加多,过犯也加多,义人必看见他们跌倒。
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
管教你的儿子,他就使你得安息,也必使你心里喜乐。
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
没有异象(或译:默示),民就放肆;惟遵守律法的,便为有福。
Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
只用言语,仆人不肯受管教;他虽然明白,也不留意。
Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
你见言语急躁的人吗?愚昧人比他更有指望。
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
人将仆人从小娇养,这仆人终久必成了他的儿子。
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
好气的人挑启争端;暴怒的人多多犯罪。
Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
人的高傲必使他卑下;心里谦逊的,必得尊荣。
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
人与盗贼分赃,是恨恶自己的性命;他听见叫人发誓的声音,却不言语。
Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
惧怕人的,陷入网罗;惟有倚靠耶和华的,必得安稳。
Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.
求王恩的人多;定人事乃在耶和华。
Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.
为非作歹的,被义人憎嫌;行事正直的,被恶人憎恶。
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.