Proverbs 27

不要为明日自夸,因为一日要生何事,你尚且不能知道。
Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
要别人夸奖你,不可用口自夸;等外人称讚你,不可用嘴自称。
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
石头重,沙土沉,愚妄人的恼怒比这两样更重。
Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
忿怒为残忍,怒气为狂澜,惟有嫉妒,谁能敌得住呢?
Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?
当面的责备强如背地的爱情。
Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
朋友加的伤痕出于忠诚;仇敌连连亲嘴却是多余。
Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
人吃饱了,厌恶蜂房的蜜;人饥饿了,一切苦物都觉甘甜。
Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
人离本处飘流,好像雀鸟离窝游飞。
Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
膏油与香料使人心喜悦;朋友诚实的劝教也是如此甘美。
Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
你的朋友和父亲的朋友,你都不可离弃。你遭难的日子,不要上弟兄的家去;相近的邻舍强如远方的弟兄。
Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
我儿,你要作智慧人,好叫我的心欢喜,使我可以回答那讥诮我的人。
Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
通达人见祸藏躲;愚蒙人前往受害。
Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
谁为生人作保,就拿谁的衣服;谁为外女作保,谁就承当。
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
清晨起来,大声给朋友祝福的,就算是咒诅他。
Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
大雨之日连连滴漏,和争吵的妇人一样;
Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
想拦阻她的,便是拦阻风,也是右手抓油。
Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
铁磨铁,磨出刃来;朋友相感(原文是磨朋友的脸)也是如此。
Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
看守无花果树的,必吃树上的果子;敬奉主人的,必得尊荣。
Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
水中照脸,彼此相符;人与人,心也相对。
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
阴间和灭亡永不满足;人的眼目也是如此。
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.
鼎为炼银,炉为炼金,人的称讚也试炼人。
Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
你虽用杵将愚妄人与打碎的麦子一同捣在臼中,他的愚妄还是离不了他。
Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
你要详细知道你羊群的景况,留心料理你的牛群;
Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
因为资财不能永有,冠冕岂能存到万代?
Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
干草割去,嫩草发现,山上的菜蔬也被收敛。
Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
羊羔之毛是为你作衣服;山羊是为作田地的价值,
Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
并有母山羊奶够你吃,也够你的家眷吃,且够养你的婢女。
Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.