Proverbs 26

夏天落雪,收割时下雨,都不相宜;愚昧人得尊荣也是如此。
Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
麻雀往来,燕子翻飞;这样,无故的咒诅也必不临到。
Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
鞭子是为打马,辔头是为勒驴;刑杖是为打愚昧人的背。
Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
不要照愚昧人的愚妄话回答他,恐怕你与他一样。
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
要照愚昧人的愚妄话回答他,免得他自以为有智慧。
Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
借愚昧人手寄信的,是砍断自己的脚,自受(原文是:喝)损害。
Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
瘸子的脚空存无用;箴言在愚昧人的口中也是如此。
Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
将尊荣给愚昧人的,好像人把石子包在机弦里。
Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
箴言在愚昧人的口中,好像荆棘刺入醉汉的手。
Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
雇愚昧人的,与雇过路人的,就像射伤众人的弓箭手。
Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
愚昧人行愚妄事,行了又行,就如狗转过来吃牠所吐的。
Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
你见自以为有智慧的人吗?愚昧人比他更有指望。
Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
懒惰人说:道上有猛狮,街上有壮狮。
Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
门在枢纽转动,懒惰人在床上也是如此。
Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
懒惰人放手在盘子里,就是向口撤回也以为劳乏。
Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
懒惰人看自己比七个善于应对的人更有智慧。
Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
过路被事激动,管理不干己的争竞,好像人揪住狗耳。
Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
人欺凌邻舍,却说:我岂不是戏耍吗?他就像疯狂的人抛掷火把、利箭,与杀人的兵器(原文是死亡)。
Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
并入上一节
Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
火缺了柴就必熄灭;无人传舌,争竞便止息。
Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
好争竞的人煽惑争端,就如余火加炭,火上加柴一样。
Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
传舌人的言语,如同美食,深入人的心腹。
Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
火热的嘴,奸恶的心,好像银渣包的瓦器。
Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
怨恨人的,用嘴粉饰,心里却藏著诡诈;
Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
他用甜言蜜语,你不可信他,因为他心中有七样可憎恶的。
Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
他虽用诡诈遮掩自己的怨恨,他的邪恶必在会中显露。
Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
挖陷坑的,自己必掉在其中;滚石头的,石头必反滚在他身上。
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
虚谎的舌恨他所压伤的人;谄媚的口败坏人的事。
Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.