Proverbs 25

以下也是所罗门的箴言,是犹大王希西家的人所誊录的。
Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:
将事隐祕乃 神的荣耀;将事察清乃君王的荣耀。
Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
天之高,地之厚,君王之心也测不透。
Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
除去银子的渣滓就有银子出来,银匠能以做器皿。
Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.
除去王面前的恶人,国位就靠公义坚立。
Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
不要在王面前妄自尊大;不要在大人的位上站立。
Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
宁可有人说:请你上来,强如在你觐见的王子面前叫你退下。
Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.
不要冒失出去与人争竞,免得至终被他羞辱,你就不知道怎样行了。
Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
你与邻舍争讼,要与他一人辩论,不可洩漏人的密事,
Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
恐怕听见的人骂你,你的臭名就难以脱离。
Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
一句话说得合宜,就如金苹果在银网子里。
Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.
智慧人的劝戒,在顺从的人耳中,好像金耳环和精金的妆饰。
Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
忠信的使者叫差他的人心里舒畅,就如在收割时有冰雪的凉气。
Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.
空夸赠送礼物的,好像无雨的风云。
Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
恒常忍耐可以劝动君王;柔和的舌头能折断骨头。
Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.
你得了蜜吗?只可吃够而已,恐怕你过饱就呕吐出来。
Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
你的脚要少进邻舍的家,恐怕他厌烦你,恨恶你。
Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
作假见证陷害邻舍的,就是大槌,是利刀,是快箭。
Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
患难时倚靠不忠诚的人,好像破坏的牙,错骨缝的脚。
Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
对伤心的人唱歌,就如冷天脱衣服,又如碱上倒醋。
Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.
你的仇敌若饿了,就给他饭吃;若渴了,就给他水喝;
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
因为,你这样行就是把炭火堆在他的头上;耶和华也必赏赐你。
Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
北风生雨,谗谤人的舌头也生怒容。
Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
宁可住在房顶的角上,不在宽阔的房屋与争吵的妇人同住。
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
有好消息从远方来,就如拿凉水给口渴的人喝。
Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
义人在恶人面前退缩,好像逿浑之泉,弄浊之井。
Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
吃蜜过多是不好的;考究自己的荣耀也是可厌的。
Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.
人不制伏自己的心,好像毁坏的城邑没有墙垣。
Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.