Proverbs 24

你不要嫉妒恶人,也不要起意与他们相处;
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
因为,他们的心图谋强暴,他们的口谈论奸恶。
Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
房屋因智慧建造,又因聪明立稳;
Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
其中因知识充满各样美好宝贵的财物。
Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
智慧人大有能力;有知识的人力上加力。
Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
你去打仗,要凭智谋;谋士众多,人便得胜。
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
智慧极高,非愚昧人所能及,所以在城门内不敢开口。
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.
设计作恶的,必称为奸人。
Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
愚妄人的思念乃是罪恶;亵慢者为人所憎恶。
Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
你在患难之日若胆怯,你的力量就微小。
Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
人被拉到死地,你要解救;人将被杀,你须拦阻。
Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
你若说:这事我未曾知道,那衡量人心的岂不明白吗?保守你命的岂不知道吗?他岂不按各人所行的报应各人吗?
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
我儿,你要吃蜜,因为是好的;吃蜂房下滴的蜜便觉甘甜。
Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;
你心得了智慧,也必觉得如此。你若找著,至终必有善报;你的指望也不致断绝。
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
你这恶人,不要埋伏攻击义人的家;不要毁坏他安居之所。
Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
因为,义人虽七次跌倒,仍必兴起;恶人却被祸患倾倒。
Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.
你仇敌跌倒,你不要欢喜;他倾倒,你心不要快乐;
Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
恐怕耶和华看见就不喜悦,将怒气从仇敌身上转过来。
Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
不要为作恶的心怀不平,也不要嫉妒恶人;
Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
因为,恶人终不得善报;恶人的灯也必熄灭。
Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.
我儿,你要敬畏耶和华与君王,不要与反覆无常的人结交,
Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;
因为他们的灾难必忽然而起。耶和华与君王所施行的毁灭,谁能知道呢?
Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?
以下也是智慧人的箴言:审判时看人情面是不好的。
Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
对恶人说:你是义人的,这人万民必咒诅,列邦必憎恶。
Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
责备恶人的,必得喜悦;美好的福也必临到他。
Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
应对正直的,犹如与人亲嘴。
Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
你要在外头预备工料,在田间办理整齐,然后建造房屋。
Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
不可无故作见证陷害邻舍,也不可用嘴欺骗人。
Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
不可说:人怎样待我,我也怎样待他;我必照他所行的报复他。
Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
我经过懒惰人的田地、无知人的葡萄园,
Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
荆棘长满了地皮,刺草遮盖了田面,石墙也坍塌了。
Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
我看见就留心思想;我看著就领了训诲。
Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
再睡片时,打盹片时,抱著手躺卧片时,
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
你的贫穷就必如强盗速来,你的缺乏彷彿拿兵器的人来到。
Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.