Proverbs 23

你若与官长坐席,要留意在你面前的是谁。
Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
你若是贪食的,就当拿刀放在喉咙上。
Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
不可贪恋他的美食,因为是哄人的食物。
Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
不要劳碌求富,休仗自己的聪明。
Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
你岂要定睛在虚无的钱财上吗?因钱财必长翅膀,如鹰向天飞去。
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
不要吃恶眼人的饭,也不要贪他的美味;
Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
因为他心怎样思量,他为人就是怎样。他虽对你说,请吃,请喝,他的心却与你相背。
Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
你所吃的那点食物必吐出来;你所说的甘美言语也必落空。
Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
你不要说话给愚昧人听,因他必藐视你智慧的言语。
Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.
不可挪移古时的地界,也不可侵入孤儿的田地;
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;
因他们的救赎主大有能力,他必向你为他们辨屈。
Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
你要留心领受训诲,侧耳听从知识的言语。
Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
不可不管教孩童;你用杖打他,他必不至于死。
Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
你要用杖打他,就可以救他的灵魂免下阴间。
Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.
我儿,你心若存智慧,我的心也甚欢喜。
Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
你的嘴若说正直话,我的心肠也必快乐。
Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
你心中不要嫉妒罪人,只要终日敬畏耶和华;
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
因为至终必有善报,你的指望也不致断绝。
Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
我儿,你当听,当存智慧,好在正道上引导你的心。
Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.
好饮酒的,好吃肉的,不要与他们来往;
Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
因为好酒贪食的,必致贫穷;好睡觉的,必穿破烂衣服。
Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
你要听从生你的父亲;你母亲老了,也不可藐视她。
Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
你当买真理;就是智慧、训诲,和聪明也都不可卖。
Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
义人的父亲必大得快乐;人生智慧的儿子,必因他欢喜。
Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
你要使父母欢喜,使生你的快乐。
Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
我儿,要将你的心归我;你的眼目也要喜悦我的道路。
Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
妓女是深坑;外女是窄阱。
Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
她埋伏好像强盗;她使人中多有奸诈的。
Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
谁有祸患?谁有忧愁?谁有争斗?谁有哀叹(或译:怨言)?谁无故受伤?谁眼目红赤?
An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena?
就是那流连饮酒、常去寻找调和酒的人。
An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
酒发红,在杯中闪烁,你不可观看,虽然下咽舒畅,终久是咬你如蛇,刺你如毒蛇。
Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
并入上一节
Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
你眼必看见异怪的事(或译:淫妇);你心必发出乖谬的话。
Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
你必像躺在海中,或像卧在桅杆上。
Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.
你必说:人打我,我却未受伤;人鞭打我,我竟不觉得。我几时清醒,我仍去寻酒。
Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?