Proverbs 15

回答柔和,使怒消退;言语暴戾,触动怒气。
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
智慧人的舌善发知识;愚昧人的口吐出愚昧。
Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
耶和华的眼目无处不在;恶人善人,他都鉴察。
Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
温良的舌是生命树;乖谬的嘴使人心碎。
Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
愚妄人藐视父亲的管教;领受责备的,得著见识。
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
义人家中多有财宝;恶人得利反受扰害。
Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
智慧人的嘴播扬知识;愚昧人的心并不如此。
Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
恶人献祭,为耶和华所憎恶;正直人祈祷,为他所喜悦。
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
恶人的道路,为耶和华所憎恶;追求公义的,为他所喜爱。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
舍弃正路的,必受严刑;恨恶责备的,必致死亡。
Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
阴间和灭亡尚在耶和华眼前,何况世人的心呢?
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona!
亵慢人不爱受责备;他也不就近智慧人。
Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
心中喜乐,面带笑容;心里忧愁,灵被损伤。
Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
聪明人心求知识;愚昧人口吃愚昧。
Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
困苦人的日子都是愁苦;心中欢畅的,常享丰筵。
Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
少有财宝,敬畏耶和华,强如多有财宝,烦乱不安。
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
吃素菜,彼此相爱,强如吃肥牛,彼此相恨。
Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
暴怒的人挑启争端;忍怒的人止息纷争。
Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
懒惰人的道像荆棘的篱笆;正直人的路是平坦的大道。
Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
智慧子使父亲喜乐;愚昧人藐视母亲。
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
无知的人以愚妄为乐;聪明的人按正直而行。
Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
不先商议,所谋无效;谋士众多,所谋乃成。
Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
口善应对,自觉喜乐;话合其时,何等美好。
Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
智慧人从生命的道上升,使他远离在下的阴间。
Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
耶和华必拆毁骄傲人的家,却要立定寡妇的地界。
Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
恶谋为耶和华所憎恶;良言乃为纯净。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
贪恋财利的,扰害己家;恨恶贿赂的,必得存活。
Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
义人的心,思量如何回答;恶人的口吐出恶言。
Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
耶和华远离恶人,却听义人的祷告。
Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
眼有光,使心喜乐;好信息,使骨滋润。
Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
听从生命责备的,必常在智慧人中。
Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
弃绝管教的,轻看自己的生命;听从责备的,却得智慧。
Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
敬畏耶和华是智慧的训诲;尊荣以前,必有谦卑。
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.