Proverbs 13

智慧子听父亲的教训;亵慢人不听责备。
Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
人因口所结的果子,必享美福;奸诈人必遭强暴。
Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
谨守口的,得保生命;大张嘴的,必致败亡。
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
懒惰人羨慕,却无所得;殷勤人必得丰裕。
Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
义人恨恶谎言;恶人有臭名,且致惭愧。
Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
行为正直的,有公义保守;犯罪的,被邪恶倾覆。
Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
假作富足的,却一无所有;装作穷乏的,却广有财物。
Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
人的资财是他生命的赎价;穷乏人却听不见威吓的话。
Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
义人的光明亮(原文是欢喜);恶人的灯要熄灭。
Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.
骄傲只启争竞;听劝言的,却有智慧。
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
不劳而得之财必然消耗;勤劳积蓄的,必见加增。
Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
所盼望的迟延未得,令人心忧;所愿意的临到,却是生命树。
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
藐视训言的,自取灭亡;敬畏诫命的,必得善报。
Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
智慧人的法则(或译:指教)是生命的泉源,可以使人离开死亡的网罗。
Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
美好的聪明使人蒙恩;奸诈人的道路崎岖难行。
Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
凡通达人都凭知识行事;愚昧人张扬自己的愚昧。
Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
奸恶的使者必陷在祸患里;忠信的使臣乃医人的良药。
Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.
弃绝管教的,必致贫受辱;领受责备的,必得尊荣。
Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
所欲的成就,心觉甘甜;远离恶事,为愚昧人所憎恶。
Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy.
与智慧人同行的,必得智慧;和愚昧人作伴的,必受亏损。
Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.
祸患追赶罪人;义人必得善报。
Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
善人给子孙遗留产业;罪人为义人积存资财。
Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
穷人耕种多得粮食,但因不义,有消灭的。
Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
不忍用杖打儿子的,是恨恶他;疼爱儿子的,随时管教。
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
义人吃得饱足;恶人肚腹缺粮。
Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.