Proverbs 11

诡诈的天平为耶和华所憎恶;公平的法码为他所喜悦。
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
骄傲来,羞耻也来;谦逊人却有智慧。
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
正直人的纯正必引导自己;奸诈人的乖僻必毁灭自己。
Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
发怒的日子资财无益;惟有公义能救人脱离死亡。
Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
完全人的义必指引他的路;但恶人必因自己的恶跌倒。
Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
正直人的义必拯救自己;奸诈人必陷在自己的罪孽中。
Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
恶人一死,他的指望必灭绝;罪人的盼望也必灭没。
Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy.
义人得脱离患难,有恶人来代替他。
Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
不虔敬的人用口败坏邻舍;义人却因知识得救。
Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
义人享福,合城喜乐;恶人灭亡,人都欢呼。
Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
城因正直人祝福便高举,却因邪恶人的口就倾覆。
Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.
藐视邻舍的,毫无智慧;明哲人却静默不言。
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
往来传舌的,洩漏密事;心中诚实的,遮隐事情。
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
无智谋,民就败落;谋士多,人便安居。
Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
为外人作保的,必受亏损;恨恶击掌的,却得安稳。
Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
恩德的妇女得尊荣;强暴的男子得资财。
Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
仁慈的人善待自己;残忍的人扰害己身。
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
恶人经营,得虚浮的工价;撒义种的,得实在的果效。
Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
恒心为义的,必得生命;追求邪恶的,必致死亡。
Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
心中乖僻的,为耶和华所憎恶;行事完全的,为他所喜悦。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
恶人虽然连手,必不免受罚;义人的后裔必得拯救。
Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
妇女美貌而无见识,如同金环带在猪鼻上。
Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
义人的心愿尽得好处;恶人的指望致干忿怒。
Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
有施散的,却更增添;有吝惜过度的,反致穷乏。
Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
好施舍的,必得丰裕;滋润人的,必得滋润。
Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
屯粮不卖的,民必咒诅他;情愿出卖的,人必为他祝福。
Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
恳切求善的,就求得恩惠;惟独求恶的,恶必临到他身。
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
倚仗自己财物的,必跌倒;义人必发旺,如青叶。
Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
扰害己家的,必承受清风;愚昧人必作慧心人的仆人。
Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
义人所结的果子就是生命树;有智慧的,必能得人。
Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
看哪,义人在世尚且受报,何况恶人和罪人呢?
Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!