Proverbs 10

所罗门的箴言:智慧之子使父亲欢乐;愚昧之子叫母亲担忧。
Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
不义之财毫无益处;惟有公义能救人脱离死亡。
Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
耶和华不使义人受饥饿;恶人所欲的,他必推开。
Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
手懒的,要受贫穷;手勤的,却要富足。
Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
夏天聚敛的,是智慧之子;收割时沉睡的,是贻羞之子。
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
福祉临到义人的头;强暴蒙蔽恶人的口。
Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.
义人的纪念被称讚;恶人的名字必朽烂。
Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
心中智慧的,必受命令;口里愚妄的,必致倾倒。
Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
行正直路的,步步安稳;走弯曲道的,必致败露。
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
以眼传神的,使人忧患;口里愚妄的,必致倾倒。
Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
义人的口是生命的泉源;强暴蒙蔽恶人的口。
Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.
恨能挑启争端;爱能遮掩一切过错。
Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
明哲人嘴里有智慧;无知人背上受刑杖。
Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
智慧人积存知识;愚妄人的口速致败坏。
Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
富户的财物是他的坚城;穷人的贫乏是他的败坏。
Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
义人的勤劳致生;恶人的进项致死(死:原文是罪)。
Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
谨守训诲的,乃在生命的道上;违弃责备的,便失迷了路。
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
隐藏怨恨的,有说谎的嘴;口出谗谤的,是愚妄的人。
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
多言多语难免有过;禁止嘴唇是有智慧。
Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
义人的舌乃似高银;恶人的心所值无几。
Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
义人的口教养多人;愚昧人因无知而死亡。
Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
耶和华所赐的福使人富足,并不加上忧虑。
Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.
愚妄人以行恶为戏耍;明哲人却以智慧为乐。
Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
恶人所怕的,必临到他;义人所愿的,必蒙应允。
Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
暴风一过,恶人归于无有;义人的根基却是永久。
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
懒惰人叫差他的人如醋倒牙,如烟薰目。
Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
敬畏耶和华使人日子加多;但恶人的年岁必被减少。
Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
义人的盼望必得喜乐;恶人的指望必致灭没。
Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
耶和华的道是正直人的保障,却成了作孽人的败坏。
Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
义人永不挪移;恶人不得住在地上。
Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
义人的口滋生智慧;乖谬的舌必被割断。
Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
义人的嘴能令人喜悦;恶人的口说乖谬的话。
Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.