Philemon 1

为基督耶稣被囚的保罗,同兄弟提摩太写信给我们所亲爱的同工腓利门,
Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
和妹子亚腓亚并与我们同当兵的亚基布,以及在你家的教会。
ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
愿恩惠、平安从 神我们的父和主耶稣基督归与你们!
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
我祷告的时候提到你,常为你感谢我的 神;
Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
因听说你的爱心并你向主耶稣和众圣徒的信心(或作:因听说你向主耶稣和众圣徒有爱心有信心)。
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra,
愿你与人所同有的信心显出功效,使人知道你们各样善事都是为基督做的。
mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
兄弟啊,我为你的爱心,大有快乐,大得安慰,因众圣徒的心从你得了畅快。
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
我虽然靠著基督能放胆吩咐你合宜的事;
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
然而像我这有年纪的保罗,现在又是为基督耶稣被囚的,宁可凭著爱心求你,
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
就是为我在捆锁中所生的儿子阿尼西母(就是有益处的意思)求你。
Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy,
他从前与你没有益处,但如今与你我都有益处。
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
我现在打发他亲自回你那里去,他是我心上的人。
izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
我本来有意将他留下,在我为福音所受的捆锁中替你伺候我。
saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
但不知道你的意思,我就不愿意这样行,叫你的善行不是出于勉强,乃是出于甘心。
nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
他暂时离开你,或者是叫你永远得著他,
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
不再是奴仆,乃是高过奴仆,是亲爱的兄弟。在我实在是如此,何况在你呢!这也不拘是按肉体说,是按主说,
tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
你若以我为同伴,就收纳他,如同收纳我一样。
Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
他若亏负你,或欠你什么,都归在我的帐上,
Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
我必偿还。这是我保罗亲笔写的。我并不用对你说,连你自己也是亏欠于我。
izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
兄弟啊,望你使我在主里因你得快乐(或作:益处)并望你使我的心在基督里得畅快。
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
我写信给你,深信你必顺服,知道你所要行的,必过于我所说的。
Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
此外你还要给我预备住处;因为我盼望借著你们的祷告,必蒙恩到你们那里去。
Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
为基督耶稣与我同坐监的以巴弗问你安。
Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
与我同工的马可、亚里达古、底马、路加、也都问你安。
sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
愿我们主耶稣基督的恩常在你的心里。阿们!
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.