Numbers 7

摩西立完了帐幕,就把帐幕用膏抹了,使它成圣,又把其中的器具和坛,并坛上的器具,都抹了,使它成圣。
Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
当天,以色列的众首领,就是各族的族长,都来奉献。他们是各支派的首领,管理那些被数的人。
dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
他们把自己的供物送到耶和华面前,就是六辆篷子车和十二只公牛。每两个首领奉献一辆车,每首领奉献一只牛。他们把这些都奉到帐幕前。
Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你要收下这些,好作会幕的使用,都要照利未人所办的事交给他们。」
Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
于是摩西收了车和牛,交给利未人,
Dia noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
把两辆车,四只牛,照革顺子孙所办的事交给他们,
Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
又把四辆车,八只牛,照米拉利子孙所办的事交给他们;他们都在祭司亚伦的儿子以他玛手下。
ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
但车与牛都没有交给哥辖子孙;因为他们办的是圣所的事,在肩头上抬圣物。
Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
用膏抹坛的日子,首领都来行奉献坛的礼,众首领就在坛前献供物。
Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.
耶和华对摩西说:「众首领为行奉献坛的礼,要每天一个首领来献供物。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.
头一日献供物的是犹大支派的亚米拿达的儿子拿顺。
Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy tamin'ny firenen'i Joda.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是亚米拿达儿子拿顺的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
第二日来献的是以萨迦子孙的首领、苏押的儿子拿坦业。
Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.
他献为供物的是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是苏押儿子拿坦业的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
第三日来献的是西布伦子孙的首领、希伦的儿子以利押。
Ary tamin'ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是希伦儿子以利押的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
第四日来献的是流便子孙的首领、示丢珥的儿子以利蓿。
Ary tamin'ny andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是示丢珥的儿子以利蓿的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.
第五日来献的是西缅子孙的首领、苏利沙代的儿子示路蔑。
Ary tamin'ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是苏利沙代儿子示路蔑的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
第六日来献的是迦得子孙的首领、丢珥的儿子以利雅萨。
Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是丢珥的儿子以利雅萨的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
第七日来献的是以法莲子孙的首领、亚米忽的儿子以利沙玛。
Ary tamin'ny andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是亚米忽儿子以利沙玛的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
第八日来献的是玛拿西子孙的首领、比大蓿的儿子迦玛列。
Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是比大蓿儿子迦玛列的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
第九日来献的是便雅悯子孙的首领、基多尼的儿子亚比但。
Ary tamin'ny andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是基多尼儿子亚比但的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
第十日来献的是但子孙的首领、亚米沙代的儿子亚希以谢。
Ary tamin'ny andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊t,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是亚米沙代儿子亚希以谢的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
第十一日来献的是亚设子孙的首领、俄兰的儿子帕结。
Ary tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera. no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
一只公山羊作赎罪祭;
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是俄兰儿子帕结的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
第十二日来献的是拿弗他利子孙的首领、以南儿子亚希拉。
Ary tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no nanatitra.
他的供物是:一个银盘子,重一百三十舍客勒,一个银碗,重七十舍客勒,都是按圣所的平,也都盛满了调油的细面作素祭;
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
一个金盂,重十舍客勒,盛满了香;
lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
一只公牛犊,一只公绵羊,一只一岁的公羊羔作燔祭;
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
一只公山羊作赎罪祭;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
两只公牛,五只公绵羊,五只公山羊,五只一岁的公羊羔作平安祭。这是以南儿子亚希拉的供物。
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
用膏抹坛的日子,以色列的众首领为行献坛之礼所献的是:银盘子十二个,银碗十二个,金盂十二个;
Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
每盘子重一百三十舍客勒,每碗重七十舍客勒。一切器皿的银子,按圣所的平,共有二千四百舍客勒。
sekely telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;
十二个金盂盛满了香,按圣所的平,每盂重十舍客勒,所有的金子共一百二十舍客勒。
lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
作燔祭的,共有公牛十二只,公羊十二只,一岁的公羊羔十二只,并同献的素祭作赎罪祭的公山羊十二只;
Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota.
作平安祭的,共有公牛二十四只,公绵羊六十只,公山羊六十只,一岁的公羊羔六十只。这就是用膏抹坛之后,为行奉献坛之礼所献的。
Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
摩西进会幕要与耶和华说话的时候,听见法柜的施恩座以上、二基路伯中间有与他说话的声音,就是耶和华与他说话。
Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.