Numbers 28

耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:
「你要吩咐以色列人说:『献给我的供物,就是献给我作馨香火祭的食物,你们要按日期献给我』;
Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
又要对他们说:你们要献给耶和华的火祭,就是没有残疾、一岁的公羊羔,每日两只,作为常献的燔祭。
Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
早晨要献一只,黄昏的时候要献一只;
(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
又用细面伊法十分之一,并捣成的油一欣四分之一,调和作为素祭。
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
这是西奈山所命定为常献的燔祭,是献给耶和华为馨香的火祭。
Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
为这一只羊羔,要同献奠祭的酒一欣四分之一。在圣所中,你要将醇酒奉给耶和华为奠祭。
Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.
晚上,你要献那一只羊羔,必照早晨的素祭和同献的奠祭献上,作为馨香的火祭,献给耶和华。
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
当安息日,要献两只没有残疾、一岁的公羊羔,并用调油的细面伊法十分之二为素祭,又将同献的奠祭献上。
Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
这是每安息日献的燔祭;那常献的燔祭和同献的奠祭在外。
Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
每月朔,你们要将两只公牛犊,一只公绵羊,七只没有残疾、一岁的公羊羔,献给耶和华为燔祭。
Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
每只公牛要用调油的细面伊法十分之三作为素祭;那只公羊也用调油的细面伊法十分之二作为素祭;
ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
每只羊羔要用调油的细面伊法十分之一作为素祭和馨香的燔祭,是献给耶和华的火祭。
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
一只公牛要奠酒半欣,一只公羊要奠酒一欣三分之一,一只羊羔也奠酒一欣四分之一。这是每月的燔祭,一年之中要月月如此。
Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
又要将一只公山羊为赎罪祭,献给耶和华;要献在常献的燔祭和同献的奠祭以外。
Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
正月十四日是耶和华的逾越节。
Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
这月十五日是节期,要吃无酵饼七日。
Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
第一日当有圣会;什么劳碌的工都不可做。
Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
当将公牛犊两只,公绵羊一只,一岁的公羊羔七只,都要没有残疾的,用火献给耶和华为燔祭。
fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
同献的素祭用调油的细面;为一只公牛要献伊法十分之三;为一只公羊要献伊法十分之二;
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
为那七只羊羔,每只要献伊法十分之一。
ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),
并献一只公山羊作赎罪祭,为你们赎罪。
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
你们献这些,要在早晨常献的燔祭以外。
Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
一连七日,每日要照这例把馨香火祭的食物献给耶和华,是在常献的燔祭和同献的奠祭以外。
Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
第七日当有圣会,什么劳碌的工都不可做。
Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
七七节庄稼初熟,你们献新素祭给耶和华的日子,当有圣会;什么劳碌的工都不可做。
Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
只要将公牛犊两只,公绵羊一只,一岁的公羊羔七只,作为馨香的燔祭献给耶和华。
ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,
同献的素祭用调油的细面;为每只公牛要献伊法十分之三;为一只公羊要献伊法十分之二;
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy iray,
为那七只羊羔,每只要献伊法十分之一。
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)
并献一只公山羊为你们赎罪。
ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
这些,你们要献在常献的燔祭和同献的素祭并同献的奠祭以外,都要没有残疾的。」
Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.