Numbers 27

属约瑟的儿子玛拿西的各族,有玛拿西的玄孙,玛吉的曾孙,基列的孙子,希弗的儿子西罗非哈的女儿,名叫玛拉、挪阿、曷拉、密迦、得撒。她们前来,
Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
站在会幕门口,在摩西和祭司以利亚撒,并众首领与全会众面前,说:
dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
「我们的父亲死在旷野。他不与可拉同党聚集攻击耶和华,是在自己罪中死的;他也没有儿子。
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
为什么因我们的父亲没有儿子就把他的名从他族中除掉呢?求你们在我们父亲的弟兄中分给我们产业。」
Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.
于是,摩西将她们的案件呈到耶和华面前。
Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「西罗非哈的女儿说得有理。你定要在她们父亲的弟兄中,把地分给她们为业;要将她们父亲的产业归给她们。
Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
你也要晓谕以色列人说:『人若死了没有儿子,就要把他的产业归给他的女儿。
Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
他若没有女儿,就要把他的产业给他的弟兄。
Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
他若没有弟兄,就要把他的产业给他父亲的弟兄。
Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
他父亲若没有弟兄,就要把他的产业给他族中最近的亲属,他便要得为业。』这要作以色列人的律例典章,是照耶和华吩咐摩西的。」
Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
耶和华对摩西说:「你上这亚巴琳山,观看我所赐给以色列人的地。
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
看了以后,你也必归到你列祖(原文作本民)那里,像你哥哥亚伦一样。
Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;
因为你们在寻的旷野,当会众争闹的时候,违背了我的命,没有在涌水之地、会众眼前尊我为圣。」(这水就是寻的旷野加低斯米利巴水。)
fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
摩西对耶和华说:
Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:
「愿耶和华万人之灵的 神,立一个人治理会众,
Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
可以在他们面前出入,也可以引导他们,免得耶和华的会众如同没有牧人的羊群一般。」
ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.
耶和华对摩西说:「嫩的儿子约书亚是心中有圣灵的;你将他领来,按手在他头上,
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
使他站在祭司以利亚撒和全会众面前,嘱咐他,
ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
又将你的尊荣给他几分,使以色列全会众都听从他。
Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.
他要站在祭司以利亚撒面前;以利亚撒要凭乌陵的判断,在耶和华面前为他求问。他和以色列全会众都要遵以利亚撒的命出入。」
Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
于是摩西照耶和华所吩咐的将约书亚领来,使他站在祭司以利亚撒和全会众面前。
Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
按手在他头上,嘱咐他,是照耶和华借摩西所说的话。
ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.