Numbers 22

以色列人起行,在摩押平原、约旦河东,对著耶利哥安营。
Ary ny Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
以色列人向亚摩利人所行的一切事,西拨的儿子巴勒都看见了。
Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.
摩押人因以色列民甚多,就大大惧怕,心内忧急,
Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.
对米甸的长老说:「现在这众人要把我们四围所有的一概餂尽,就如牛餂尽田间的草一般。」那时西拨的儿子巴勒作摩押王。
Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.
他差遣使者往大河边的毘夺去,到比珥的儿子巴兰本乡那里,召巴兰来,说:「有一宗民从埃及出来,遮满地面,与我对居。
Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
这民比我强盛,现在求你来为我咒诅他们,或者我能得胜,攻打他们,赶出此地。因为我知道,你为谁祝福,谁就得福;你咒诅谁,谁就受咒诅。」
koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
摩押的长老和米甸的长老手里拿著卦金,到了巴兰那里,将巴勒的话都告诉了他。
Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.
巴兰说:「你们今夜在这里住宿,我必照耶和华所晓谕我的回报你们。」摩押的使臣就在巴兰那里住下了。
Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.
 神临到巴兰那里,说:「在你这里的人都是谁?」
Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
巴兰回答说:「是摩押王西拨的儿子巴勒打发人到我这里来,说:
Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
『从埃及出来的民遮满地面,你来为我咒诅他们,或者我能与他们争战,把他们赶出去。』」
Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
 神对巴兰说:「你不可同他们去,也不可咒诅那民,因为那民是蒙福的。」
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
巴兰早晨起来,对巴勒的使臣说:「你们回本地去吧,因为耶和华不容我和你们同去。」
Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
摩押的使臣就起来,回巴勒那里去,说:「巴兰不肯和我们同来。」
Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
巴勒又差遣使臣,比先前的又多又尊贵。
Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
他们到了巴兰那里,对他说:「西拨的儿子巴勒这样说:『求你不容什么事拦阻你不到我这里来,
Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
因为我必使你得极大的尊荣。你向我要什么,我就给你什么;只求你来为我咒诅这民。』」
fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
巴兰回答巴勒的臣仆说:「巴勒就是将他满屋的金银给我,我行大事小事也不得越过耶和华─我 神的命。
Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
现在我请你们今夜在这里住宿,等我得知耶和华还要对我说什么。」
Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah amiko koa.
当夜, 神临到巴兰那里,说:「这些人若来召你,你就起来同他们去,你只要遵行我对你所说的话。」
Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
巴兰早晨起来,备上驴,和摩押的使臣一同去了。
Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.
 神因他去就发了怒;耶和华的使者站在路上敌挡他。他骑著驴,有两个仆人跟随他。
Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
驴看见耶和华的使者站在路上,手里有拔出来的刀,就从路上跨进田间,巴兰便打驴,要叫牠回转上路。
Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
耶和华的使者就站在葡萄园的窄路上;这边有墙,那边也有墙。
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
驴看见耶和华的使者,就贴靠墙,将巴兰的脚挤伤了;巴兰又打驴。
Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
耶和华的使者又往前去,站在狭窄之处,左右都没有转折的地方。
Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
驴看见耶和华的使者,就卧在巴兰底下,巴兰发怒,用杖打驴。
Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
耶和华叫驴开口,对巴兰说:「我向你行了什么,你竟打我这三次呢?」
Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
巴兰对驴说:「因为你戏弄我,我恨不能手中有刀,把你杀了。」
Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
驴对巴兰说:「我不是你从小时直到今日所骑的驴吗?我素常向你这样行过吗?」巴兰说:「没有。」
Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
当时,耶和华使巴兰的眼目明亮,他就看见耶和华的使者站在路上,手里有拔出来的刀,巴兰便低头俯伏在地。
Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
耶和华的使者对他说:「你为何这三次打你的驴呢?我出来敌挡你,因你所行的,在我面前偏僻。
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
驴看见我就三次从我面前偏过去;驴若没有偏过去,我早把你杀了,留牠存活。」
Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
巴兰对耶和华的使者说:「我有罪了。我不知道你站在路上阻挡我;你若不喜欢我去,我就转回。」
Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
耶和华的使者对巴兰说:「你同这些人去吧!你只要说我对你说的话。」于是巴兰同著巴勒的使臣去了。
Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.
巴勒听见巴兰来了,就往摩押京城去迎接他;这城是在边界上,在亚嫩河旁。
Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
巴勒对巴兰说:「我不是急急地打发人到你那里去召你吗?你为何不到我这里来呢?我岂不能使你得尊荣吗?」
Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
巴兰说:「我已经到你这里来了!现在我岂能擅自说什么呢? 神将什么话传给我,我就说什么。」
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
巴兰和巴勒同行,来到基列‧胡琐。
Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
巴勒宰了(原文作献)牛羊,送给巴兰和陪伴的使臣。
Ary Balaka namono omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
到了早晨,巴勒领巴兰到巴力的高处;巴兰从那里观看以色列营的边界。
Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.