Numbers 2

耶和华晓谕摩西、亚伦说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
「以色列人要各归自己的纛下,在本族的旗号那里,对著会幕的四围安营。
Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
在东边,向日出之地,照著军队安营的是犹大营的纛。有亚米拿达的儿子拿顺作犹大人的首领。
Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
他军队被数的,共有七万四千六百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
挨著他安营的是以萨迦支派。有苏押的儿子拿坦业作以萨迦人的首领。
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
他军队被数的,共有五万四千四百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
又有西布伦支派。希伦的儿子以利押作西布伦人的首领。
Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
他军队被数的,共有五万七千四百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
凡属犹大营、按著军队被数的,共有十八万六千四百名,要作第一队往前行。
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
「在南边,按著军队是流便营的纛。有示丢珥的儿子以利蓿作流便人的首领。
Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
他军队被数的,共有四万六千五百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
挨著他安营的是西缅支派。苏利沙代的儿子示路蔑作西缅人的首领。
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
他军队被数的,共有五万九千三百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
又有迦得支派。丢珥的儿子以利雅萨作迦得人的首领。
Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
他军队被数的,共有四万五千六百五十名,
ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
凡属流便营、按著军队被数的,共有十五万一千四百五十名,要作第二队往前行。
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
「随后,会幕要往前行,有利未营在诸营中间。他们怎样安营就怎样往前行,各按本位,各归本纛。
Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
「在西边,按著军队是以法莲营的纛。亚米忽的儿子以利沙玛作以法莲人的首领。
Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
他军队被数的,共有四万零五百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
挨著他的是玛拿西支派。比大蓿的儿子迦玛列作玛拿西人的首领。
Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
他军队被数的,共有三万二千二百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
又有便雅悯支派。基多尼的儿子亚比但作便雅悯人的首领。
Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
他军队被数的,共有三万五千四百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
凡属以法莲营、按著军队被数的,共有十万零八千一百名,要作第三队往前行。
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
「在北边,按著军队是但营的纛。亚米沙代的儿子亚希以谢作但人的首领。
Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
他军队被数的,共有六万二千七百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
挨著他安营的是亚设支派。俄兰的儿子帕结作亚设人的首领。
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
他军队被数的,共有四万一千五百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
又有拿弗他利支派。以南的儿子亚希拉作拿弗他利人的首领。
Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
他军队被数的,共有五万三千四百名。
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
凡但营被数的,共有十五万七千六百名,要归本纛作末队往前行。」
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
这些以色列人,照他们的宗族,按他们的军队,在诸营中被数的,共有六十万零三千五百五十名。
Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
惟独利未人没有数在以色列人中,是照耶和华所吩咐摩西的。
Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
以色列人就这样行,各人照他们的家室、宗族归于本纛,安营起行,都是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.