Numbers 1

以色列人出埃及地后,第二年二月初一日,耶和华在西奈的旷野、会幕中晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
「你要按以色列全会众的家室、宗族、人名的数目计算所有的男丁。
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
凡以色列中,从二十岁以外,能出去打仗的,你和亚伦要照他们的军队数点。
dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
每支派中必有一人作本支派的族长,帮助你们。
Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
他们的名字:属流便的,有示丢珥的儿子以利蓿;
Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
属西缅的,有苏利沙代的儿子示路蔑;
ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
属犹大的,有亚米拿达的儿子拿顺;
ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
属以萨迦的,有苏押的儿子拿坦业;
ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
属西布伦的,有希伦的儿子以利押;
ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
约瑟子孙、属以法莲的,有亚米忽的儿子以利沙玛;属玛拿西的,有比大蓿的儿子迦玛列;
ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
属便雅悯的,有基多尼的儿子亚比但;
ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
属但的,有亚米沙代的儿子亚希以谢;
ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
属亚设的,有俄兰的儿子帕结;
ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
属迦得的,有丢珥的儿子以利雅萨;
ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
属拿弗他利的,有以南的儿子亚希拉。
ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
这都是从会中选召的,各作本支派的首领,都是以色列军中的统领。」
Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
于是,摩西、亚伦带著这些按名指定的人,
Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
当二月初一日招聚全会众。会众就照他们的家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外的,都述说自己的家谱。
dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
耶和华怎样吩咐摩西,他就怎样在西奈的旷野数点他们。
Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
以色列的长子,流便子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的男丁,共有四万六千五百名。
Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
西缅子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的男丁,共有五万九千三百名。
Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
迦得子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有四万五千六百五十名。
Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
犹大子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有七万四千六百名。
Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
以萨迦子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有五万四千四百名。
Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
西布伦子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有五万七千四百名。
Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
约瑟子孙属以法莲子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有四万零五百名。
Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
玛拿西子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有三万二千二百名。
ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
便雅悯子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有三万五千四百名。
Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
但子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗,被数的,共有六万二千七百名。
Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
亚设子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有四万一千五百名。
Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
拿弗他利子孙的后代,照著家室、宗族、人名的数目,从二十岁以外,凡能出去打仗、被数的,共有五万三千四百名。
Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
并入上一节
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
这些就是被数点的,是摩西、亚伦,和以色列中十二个首领所数点的;这十二个人各作各宗族的代表。
Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
这样,凡以色列人中被数的,照著宗族,从二十岁以外,能出去打仗、被数的,共有六十万零三千五百五十名。
Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
并入上一节
dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
利未人却没有按著支派数在其中,
Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
因为耶和华晓谕摩西说:
Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「惟独利未支派你不可数点,也不可在以色列人中计算他们的总数。
Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
只要派利未人管法柜的帐幕和其中的器具,并属乎帐幕的;他们要抬(抬或作:搬运)帐幕和其中的器具,并要办理帐幕的事,在帐幕的四围安营。
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
帐幕将往前行的时候,利未人要拆卸;将支搭的时候,利未人要竖起。近前来的外人必被治死。
Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
以色列人支搭帐棚,要照他们的军队,各归本营,各归本纛。
Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
但利未人要在法柜帐幕的四围安营,免得忿怒临到以色列会众;利未人并要谨守法柜的帐幕。」
Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
以色列人就这样行。凡耶和华所吩咐摩西的,他们就照样行了。
Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.