Nehemiah 2

亚达薛西王二十年尼散月,在王面前摆酒,我拿起酒来奉给王。我素来在王面前没有愁容。
Ary tamin'ny volana Nisana tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
王对我说:「你既没有病,为什么面带愁容呢?这不是别的,必是你心中愁烦。」于是我甚惧怕。
Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
我对王说:「愿王万岁!我列祖坟墓所在的那城荒凉,城门被火焚烧,我岂能面无愁容吗?」
ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon'ny afo ny vavahadiny?
王问我说:「你要求什么?」于是我默祷天上的 神。
Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
我对王说:「仆人若在王眼前蒙恩,王若喜欢,求王差遣我往犹大,到我列祖坟墓所在的那城去,我好重新建造。」
dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
那时王后坐在王的旁边。王问我说:「你去要多少日子?几时回来?」我就定了日期。于是王喜欢差遣我去。
Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin'ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
我又对王说:「王若喜欢,求王赐我诏书,通知大河西的省长准我经过,直到犹大;
Ary hoy koa aho tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
又赐诏书,通知管理王园林的亚萨,使他给我木料,做属殿营楼之门的横梁和城墙,与我自己房屋使用的。」王就允准我,因我 神施恩的手帮助我。
sy taratasy ho amin'i Asafa, mpitandrina ny alan'i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin'ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan'ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen'ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitro tamiko.
王派了军长和马兵护送我。我到了河西的省长那里,将王的诏书交给他们。
Dia tonga tany amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin'ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.
和伦人参巴拉,并为奴的亚扪人多比雅,听见有人来为以色列人求好处,就甚恼怒。
Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak'Isiraely.
我到了耶路撒冷,在那里住了三日。
Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
我夜间起来,有几个人也一同起来;但 神使我心里要为耶路撒冷做什么事,我并没有告诉人。除了我骑的牲口以外,也没有别的牲口在我那里。
Ary nifoha tamin'ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
当夜我出了谷门,往野狗井去(野狗:或译龙),到了粪厂门,察看耶路撒冷的城墙,见城墙拆毁,城门被火焚烧。
Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo.
我又往前,到了泉门和王池,但所骑的牲口没有地方过去。
Dia nankany amin'ny vavahadin-doharano sy ny farihin'ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha akory.
于是夜间沿溪而上,察看城墙,又转身进入谷门,就回来了。
Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.
我往哪里去,我做什么事,官长都不知道。我还没有告诉犹大平民、祭司、贵冑、官长,和其余做工的人。
Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin'izay dia tsy mbola nolazaiko tamin'ny Jiosy izany, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny manan-kaja, na tamin'ny mpanapaka, na tamin'ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
以后,我对他们说:「我们所遭的难,耶路撒冷怎样荒凉,城门被火焚烧,你们都看见了。来吧,我们重建耶路撒冷的城墙,免得再受凌辱!」
Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika , fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
我告诉他们我 神施恩的手怎样帮助我,并王对我所说的话。他们就说:「我们起来建造吧!」于是他们奋勇做这善工。
Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
但和伦人参巴拉,并为奴的亚扪人多比雅和阿拉伯人基善听见就嗤笑我们,藐视我们,说:「你们做什么呢?要背叛王么?」
Fa nony ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha ianareo?
我回答他们说:「天上的 神必使我们亨通。我们作他仆人的,要起来建造;你们却在耶路撒冷无分、无权、无纪念。」
Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.