Nehemiah 1

哈迦利亚的儿子尼希米的言语如下:亚达薛西王二十年基斯流月,我在书珊城的宫中。
Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
那时,有我一个弟兄哈拿尼,同著几个人从犹大来。我问他们那些被掳归回、剩下逃脱的犹大人和耶路撒冷的光景。
dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.
他们对我说:「那些被掳归回剩下的人在犹大省遭大难,受凌辱;并且耶路撒冷的城墙拆毁,城门被火焚烧。」
Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.
我听见这话,就坐下哭泣,悲哀几日,在天上的 神面前禁食祈祷,说:
Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
「耶和华─天上的 神,大而可畏的 神啊,你向爱你、守你诫命的人守约施慈爱。
ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
愿你睁眼看,侧耳听,你仆人昼夜在你面前为你众仆人以色列民的祈祷,承认我们以色列人向你所犯的罪;我与我父家都有罪了。
aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
我们向你所行的甚是邪恶,没有遵守你借著仆人摩西所吩咐的诫命、律例、典章。
Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.
求你记念所吩咐你仆人摩西的话,说:『你们若犯罪,我就把你们分散在万民中;
Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho;
但你们若归向我,谨守遵行我的诫命,你们被赶散的人虽在天涯,我也必从那里将他们招聚回来,带到我所选择立为我名的居所。』
nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
这都是你的仆人、你的百姓,就是你用大力和大能的手所救赎的。
Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
主啊,求你侧耳听你仆人的祈祷,和喜爱敬畏你名众仆人的祈祷,使你仆人现今亨通,在王面前蒙恩。」我是作王酒政的。
Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.