Nahum 3

祸哉!这流人血的城,充满谎诈和强暴,抢夺的事总不止息。
Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
鞭声响亮,车轮轰轰,马匹踢跳,车辆奔腾,
Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
马兵争先,刀剑发光,枪矛闪烁,被杀的甚多,尸首成了大堆,尸骸无数,人碰著而跌倒,
He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
都因那美貌的妓女多有淫行,惯行邪术,借淫行诱惑列国,用邪术诱惑(原文是卖)多族。
Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
万军之耶和华说:我与你为敌;我必揭起你的衣襟,蒙在你脸上,使列国看见你的赤体,使列邦观看你的丑陋。
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
我必将可憎污秽之物抛在你身上,辱没你,为众目所观。
Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
凡看见你的,都必逃跑离开你,说:尼尼微荒凉了!有谁为你悲伤呢?我何处寻得安慰你的人呢?
Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?
你岂比挪亚们(或)强呢?挪亚们坐落在众河之间,周围有水;海(指尼罗河)作她的濠沟,又作她的城墙。
Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;
古实和埃及是她无穷的力量;弗人和路比族是她的帮手。
Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.
但她被迁移,被掳去;她的婴孩在各市口上也被摔死。人为她的尊贵人拈阄;她所有的大人都被鍊子锁著。
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
你也必喝醉,必被埋藏,并因仇敌的缘故寻求避难所。
Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
你一切保障必像无花果树上初熟的无花果,若一摇撼就落在想吃之人的口中。
Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
你地上的人民如同妇女;你国中的关口向仇敌敞开;你的门闩被火焚烧。
Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao.
你要打水预备受困;要坚固你的保障,踹土和泥,修补砖窑。
Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
在那里,火必烧灭你;刀必杀戮你,吞灭你如同蝻子。任你加增人数多如蝻子,多如蝗虫吧!
Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
你增添商贾,多过天上的星;蝻子吃尽而去。
Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.
你的首领多如蝗虫;你的军长彷彿成群的蚂蚱,天凉的时候齐落在篱笆上,日头一出便都飞去,人不知道落在何处。
Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.
亚述王啊,你的牧人睡觉;你的贵冑安歇;你的人民散在山间,无人招聚。
Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
你的损伤无法医治;你的伤痕极其重大。凡听你信息的必都因此向你拍掌。你所行的恶谁没有时常遭遇呢?
Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?