Micah 6

以色列人哪,当听耶和华的话!要起来向山岭争辩,使冈陵听你的话。
Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
山岭和地永久的根基啊,要听耶和华争辩的话!因为耶和华要与他的百姓争辩,与以色列争论。
Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
我的百姓啊,我向你做了什么呢?我在什么事上使你厌烦?你可以对我证明。
Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
我曾将你从埃及地领出来,从作奴仆之家救赎你;我也差遣摩西、亚伦,和米利暗在你前面行。
Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
我的百姓啊,你们当追念摩押王巴勒所设的谋和比珥的儿子巴兰回答他的话,并你们从什亭到吉甲所遇见的事,好使你们知道耶和华公义的作为。
Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
我朝见耶和华,在至高 神面前跪拜,当献上什么呢?岂可献一岁的牛犊为燔祭吗?
Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
耶和华岂喜悦千千的公羊,或是万万的油河吗?我岂可为自己的罪过献我的长子吗?为心中的罪恶献我身所生的吗?
Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
世人哪,耶和华已指示你何为善。他向你所要的是什么呢?只要你行公义,好怜悯,存谦卑的心,与你的 神同行。
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena
耶和华向这城呼叫,智慧人必敬畏他的名。你们当听是谁派定刑杖的惩罚。
Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
恶人家中不仍有非义之财和可恶的小升斗吗?
Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
我若用不公道的天平和囊中诡诈的法码,岂可算为清洁呢?
Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
城里的富户满行强暴;其中的居民也说谎言,口中的舌头是诡诈的。
Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
因此,我击打你,使你的伤痕甚重,使你因你的罪恶荒凉。
Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
你要吃,却吃不饱;你的虚弱必显在你中间。你必挪去,却不得救护;所救护的,我必交给刀剑。
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
你必撒种,却不得收割;踹橄榄,却不得油抹身;踹葡萄,却不得酒喝。
Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
因为你守暗利的恶规,行亚哈家一切所行的,顺从他们的计谋;因此,我必使你荒凉,使你的居民令人嗤笑,你们也必担当我民的羞辱。
Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.