Matthew 6

「你们要小心,不可将善事行在人的面前,故意叫他们看见,若是这样,就不能得你们天父的赏赐了。
Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
所以,你施舍的时候,不可在你前面吹号,像那假冒为善的人在会堂里和街道上所行的,故意要得人的荣耀。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
你施舍的时候,不要叫左手知道右手所做的,
Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,
要叫你施舍的事行在暗中。你父在暗中察看,必然报答你(有古卷:必在明处报答你)。」
mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
「你们祷告的时候,不可像那假冒为善的人,爱站在会堂里和十字路口上祷告,故意叫人看见。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
你祷告的时候,要进你的内屋,关上门,祷告你在暗中的父;你父在暗中察看,必然报答你。
Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.
你们祷告,不可像外邦人,用许多重复话,他们以为话多了必蒙垂听。
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
你们不可效法他们;因为你们没有祈求以先,你们所需用的,你们的父早已知道了。
Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
所以,你们祷告要这样说:我们在天上的父:愿人都尊你的名为圣。
Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
愿你的国降临;愿你的旨意行在地上,如同行在天上。
Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
我们日用的饮食,今日赐给我们。
Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
免我们的债,如同我们免了人的债。
Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
不叫我们遇见试探;救我们脱离凶恶(或作:脱离恶者)。因为国度、权柄、荣耀,全是你的,直到永远。阿们(有古卷没有因为……阿们等字)!
Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.
「你们饶恕人的过犯,你们的天父也必饶恕你们的过犯;
Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
你们不饶恕人的过犯,你们的天父也必不饶恕你们的过犯。」
Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
「你们禁食的时候,不可像那假冒为善的人,脸上带著愁容;因为他们把脸弄得难看,故意叫人看出他们是禁食。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
你禁食的时候,要梳头洗脸,
Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
不叫人看出你禁食来,只叫你暗中的父看见;你父在暗中察看,必然报答你。」
mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
「不要为自己积儹财宝在地上;地上有虫子咬,能锈坏,也有贼挖窟窿来偷。
Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
只要积儹财宝在天上;天上没有虫子咬,不能锈坏,也没有贼挖窟窿来偷。
Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
因为你的财宝在那里,你的心也在那里。」
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
「眼睛就是身上的灯。你的眼睛若了亮,全身就光明;
Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
你的眼睛若昏花,全身就黑暗。你里头的光若黑暗了,那黑暗是何等大呢!」
Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!
「一个人不能事奉两个主;不是恶这个,爱那个,就是重这个,轻那个。你们不能又事奉 神,又事奉玛门(玛门:财利的意思)。」
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
「所以我告诉你们,不要为生命忧虑吃什么,喝什么;为身体忧虑穿什么。生命不胜于饮食么?身体不胜于衣裳么?
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
你们看那天上的飞鸟,也不种,也不收,也不积蓄在仓里,你们的天父尚且养活牠。你们不比飞鸟贵重得多吗?
Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
你们那一个能用思虑使寿数多加一刻呢(或作:使身量多加一肘呢)?
Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
何必为衣裳忧虑呢?你想野地里的百合花怎么长起来;它也不劳苦,也不纺线。
Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;
然而我告诉你们,就是所罗门极荣华的时候,他所穿戴的,还不如这花一朵呢!
nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
你们这小信的人哪!野地里的草今天还在,明天就丢在炉里, 神还给它这样的妆饰,何况你们呢!
Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
所以,不要忧虑说:吃什么?喝什么?穿什么?
Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?
这都是外邦人所求的,你们需用的这一切东西,你们的天父是知道的。
Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
你们要先求他的国和他的义,这些东西都要加给你们了。
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
所以,不要为明天忧虑,因为明天自有明天的忧虑;一天的难处一天当就够了。」
Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.