Matthew 25

那时,天国好比十个童女拿著灯出去迎接新郎。
Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
其中有五个是愚拙的,五个是聪明的。
Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
愚拙的拿著灯,却不预备油;
Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
聪明的拿著灯,又预备油在器皿里。
ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.
新郎迟延的时候,她们都打盹,睡著了。
Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
半夜有人喊著说:新郎来了,你们出来迎接他!
Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
那些童女就都起来收拾灯。
Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
愚拙的对聪明的说:请分点油给我们,因为我们的灯要灭了。
Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
聪明的回答说:恐怕不够你我用的;不如你们自己到卖油的那里去买吧。
Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
他们去买的时候,新郎到了。那预备好了的,同他进去坐席,门就关了。
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
其余的童女随后也来了,说:主啊,主啊,给我们开门!
Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
他却回答说:我实在告诉你们,我不认识你们。
Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
所以,你们要儆醒;因为那日子,那时辰,你们不知道。
Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
天国又好比一个人要往外国去,就叫了仆人来,把他的家业交给他们,
Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
按著各人的才干给他们银子:一个给了五千,一个给了二千,一个给了一千,就往外国去了。
koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
那领五千的随即拿去做买卖,另外赚了五千。
Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
那领二千的也照样另赚了二千。
Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
但那领一千的去掘开地,把主人的银子埋藏了。
Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
过了许久,那些仆人的主人来了,和他们算帐。
Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
那领五千银子的又带著那另外的五千来,说:主啊,你交给我五千银子。请看,我又赚了五千。
Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
主人说:好,你这又良善又忠心的仆人,你在不多的事上有忠心,我要把许多事派你管理;可以进来享受你主人的快乐。
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
那领二千的也来,说:主啊,你交给我二千银子。请看,我又赚了二千。
Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
主人说:好,你这又良善又忠心的仆人,你在不多的事上有忠心,我要把许多事派你管理;可以进来享受你主人的快乐。
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
那领一千的也来,说:主啊,我知道你是忍心的人,没有种的地方要收割,没有散的地方要聚敛,
Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;
我就害怕,去把你的一千银子埋藏在地里。请看,你的原银子在这里。
dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
主人回答说:你这又恶又懒的仆人,你既知道我没有种的地方要收割,没有散的地方要聚敛,
Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
就当把我的银子放给兑换银钱的人,到我来的时候,可以连本带利收回。
koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
夺过他这一千来,给那有一万的。
Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
因为凡有的,还要加给他,叫他有余;没有的,连他所有的也要夺过来。
Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
把这无用的仆人丢在外面黑暗里;在那里必要哀哭切齿了。
Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
当人子在他荣耀里、同著众天使降临的时候,要坐在他荣耀的宝座上。
Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
万民都要聚集在他面前。他要把他们分别出来,好像牧羊的分别绵羊山羊一般,
ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;
把绵羊安置在右边,山羊在左边。
ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
于是王要向那右边的说:你们这蒙我父赐福的,可来承受那创世以来为你们所预备的国;
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
因为我饿了,你们给我吃,渴了,你们给我喝;我作客旅,你们留我住;
fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
我赤身露体,你们给我穿;我病了、你们看顾我;我在监里,你们来看我。
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
义人就回答说:主啊,我们什么时候见你饿了,给你吃,渴了,给你喝?
Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
什么时候见你作客旅,留你住,或是赤身露体,给你穿?
Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
又什么时候见你病了,或是在监里,来看你呢?
Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
王要回答说:我实在告诉你们,这些事你们既做在我这弟兄中一个最小的身上,就是做在我身上了。
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
王又要向那左边的说:你们这被咒诅的人,离开我!进入那为魔鬼和他的使者所预备的永火里去!
Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
因为我饿了,你们不给我吃,渴了,你们不给我喝;
fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
我作客旅,你们不留我住;我赤身露体,你们不给我穿;我病了,我在监里,你们不来看顾我。
nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
他们也要回答说:主啊,我们什么时候见你饿了,或渴了,或作客旅,或赤身露体,或病了,或在监里,不伺候你呢?
Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
王要回答说:我实在告诉你们,这些事你们既不做在我这弟兄中一个最小的身上,就是不做在我身上了。
Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
这些人要往永刑里去;那些义人要往永生里去。
Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.