Matthew 16

法利赛人和撒都该人来试探耶稣,请他从天上显个神迹给他们看。
Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
耶稣回答说:晚上天发红,你们就说:天必要晴。
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
早晨天发红,又发黑,你们就说:今日必有风雨。你们知道分辨天上的气色,倒不能分辨这时候的神迹。
Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
一个邪恶淫乱的世代求神迹,除了约拿的神迹以外,再没有神迹给他看。耶稣就离开他们去了。
Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
门徒渡到那边去,忘了带饼。
Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
耶稣对他们说:你们要谨慎,防备法利赛人和撒都该人的酵。
Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
门徒彼此议论说:这是因为我们没有带饼吧。
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
耶稣看出来,就说:你们这小信的人,为什么因为没有饼彼此议论呢?
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
你们还不明白吗?不记得那五个饼分给五千人、又收拾了多少篮子的零碎吗?
Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
也不记得那七个饼分给四千人、又收拾了多少筐子的零碎吗?
na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
我对你们说:要防备法利赛人和撒都该人的酵,这话不是指著饼说的,你们怎么不明白呢?
Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
门徒这才晓得他说的不是叫他们防备饼的酵,乃是防备法利赛人和撒都该人的教训。
Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
耶稣到了凯撒利亚‧腓立比的境内,就问门徒说:人说我(有古卷没有我字)人子是谁?
Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?
他们说:有人说是施洗的约翰;有人说是以利亚;又有人说是耶利米或是先知里的一位。
Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
耶稣说:你们说我是谁?
Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
西门彼得回答说:你是基督,是永生 神的儿子。
Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
耶稣对他说:西门巴约拿,你是有福的!因为这不是属血肉的指示你的,乃是我在天上的父指示的。
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
我还告诉你,你是彼得,我要把我的教会建造在这磐石上;阴间的权柄(权柄:原文是门),不能胜过他。
Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.
我要把天国的钥匙给你,凡你在地上所捆绑的,在天上也要捆绑;凡你在地上所释放的,在天上也要释放。
Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
当下,耶稣嘱咐门徒,不可对人说他是基督。
Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
从此,耶稣才指示门徒,他必须上耶路撒冷去,受长老、祭司长、文士许多的苦,并且被杀,第三日复活。
Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
彼得就拉著他,劝他说:主啊,万不可如此!这事必不临到你身上。
Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
耶稣转过来,对彼得说:撒但,退我后边去吧!你是绊我脚的;因为你不体贴 神的意思,只体贴人的意思。
Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
于是耶稣对门徒说:若有人要跟从我,就当舍己,背起他的十字架来跟从我。
Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
因为,凡要救自己生命(生命:或作灵魂;下同)的,必丧掉生命;凡为我丧掉生命的,必得著生命。
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
人若赚得全世界,赔上自己的生命,有什么益处呢?人还能拿什么换生命呢?
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
人子要在他父的荣耀里,同著众使者降临;那时候,他要照各人的行为报应各人。
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
我实在告诉你们,站在这里的,有人在没尝死味以前必看见人子降临在他的国里。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.