Matthew 14

那时,分封的王希律听见耶稣的名声,
Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,
就对臣仆说:这是施洗的约翰从死里复活,所以这些异能从他里面发出来。
ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
起先,希律为他兄弟腓力的妻子希罗底的缘故,把约翰拿住,锁在监里。
Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.
因为约翰曾对他说:你娶这妇人是不合理的。
Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
希律就想要杀他,只是怕百姓,因为他们以约翰为先知。
Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.
到了希律的生日,希罗底的女儿在众人面前跳舞,使希律欢喜。
Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.
希律就起誓,应许随她所求的给她。
Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
女儿被母亲所使,就说:请把施洗约翰的头放在盘子里,拿来给我。
Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
王便忧愁,但因他所起的誓,又因同席的人,就吩咐给他;
Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
于是打发人去,在监里斩了约翰,
Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.
把头放在盘子里,拿来给了女子;女子拿去给她母亲。
Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
约翰的门徒来,把尸首领去埋葬了,就去告诉耶稣。
Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.
耶稣听见了,就上船从那里独自退到野地里去。众人听见,就从各城里步行跟随他。
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
耶稣出来,见有许多的人,就怜悯他们,治好了他们的病人。
Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
天将晚的时候,门徒进前来,说:这是野地,时候已经过了,请叫众人散开,他们好往村子里去,自己买吃的。
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
耶稣说:不用他们去,你们给他们吃吧!
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
门徒说:我们这里只有五个饼,两条鱼。
Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
耶稣说:拿过来给我。
Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
于是吩咐众人坐在草地上,就拿著这五个饼,两条鱼,望著天祝福,擘开饼,递给门徒,门徒又递给众人。
Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
他们都吃,并且吃饱了;把剩下的零碎收拾起来,装满了十二个篮子。
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
吃的人,除了妇女孩子,约有五千。
Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
耶稣随即催门徒上船,先渡到那边去,等他叫众人散开。
Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
散了众人以后,他就独自上山去祷告。到了晚上,只有他一人在那里。
Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
那时船在海中,因风不顺,被浪摇撼。
Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.
夜里四更天,耶稣在海面上走,往门徒那里去。
Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.
门徒看见他在海面上走,就惊慌了,说:是个鬼怪!便害怕,喊叫起来。
Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
耶稣连忙对他们说:你们放心!是我,不要怕!
Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
彼得说:主,如果是你,请叫我从水面上走到你那里去。
Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.
耶稣说:你来吧。彼得就从船上下去,在水面上走,要到耶稣那里去;
Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.
只因见风甚大,就害怕,将要沉下去,便喊著说:主啊,救我!
Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
耶稣赶紧伸手拉住他,说:你这小信的人哪,为什么疑惑呢?
Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
他们上了船,风就住了。
Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
在船上的人都拜他,说:你真是 神的儿子了。
Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
他们过了海,来到革尼撒勒地方。
Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
那里的人一认出是耶稣,就打发人到周围地方去,把所有的病人带到他那里,
Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
只求耶稣准他们摸他的衣裳䍁子;摸著的人就都好了。
Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.