Matthew 12

那时,耶稣在安息日从麦地经过。他的门徒饿了,就掐起麦穗来吃。
Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
法利赛人看见,就对耶稣说:看哪,你的门徒作安息日不可作的事了!
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
耶稣对他们说:经上记著大卫和跟从他的人饥饿之时所作的事,你们没有念过吗?
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
他怎么进了 神的殿,吃了陈设饼,这饼不是他和跟从他的人可以吃得,惟独祭司才可以吃。
Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
再者,律法上所记的,当安息日,祭司在殿里犯了安息日还是没有罪,你们没有念过吗?
Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
但我告诉你们,在这里有一人比殿更大。
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
我喜爱怜恤,不喜爱祭祀。你们若明白这话的意思,就不将无罪的当作有罪的了。
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
因为人子是安息日的主。
Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
耶稣离开那地方,进了一个会堂。
Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
那里有一个人枯干了一只手。有人问耶稣说:安息日治病可以不可以?意思是要控告他。
ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.
耶稣说:你们中间谁有一只羊,当安息日掉在坑里,不把牠抓住,拉上来呢?
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
人比羊何等贵重呢!所以,在安息日作善事是可以的。
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
于是对那人说:伸出手来!他把手一伸,手就复了原,和那只手一样。
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
法利赛人出去,商议怎样可以除灭耶稣。
Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
耶稣知道了,就离开那里,有许多人跟著他。他把其中有病的人都治好了;
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
又嘱咐他们,不要给他传名。
ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
这是要应验先知以赛亚的话,说:
mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
看哪!我的仆人,我所拣选,所亲爱,心里所喜悦的,我要将我的灵赐给他;他必将公理传给外邦。
Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;
他不争竞,不喧嚷;街上也没有人听见他的声音。
Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
压伤的芦苇,他不折断;将残的灯火,他不吹灭;等他施行公理,叫公理得胜。
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
外邦人都要仰望他的名。
Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).
当下,有人将一个被鬼附著、又瞎又哑的人带到耶稣那里,耶稣就医治他,甚至那哑巴又能说话,又能看见。
Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
众人都惊奇,说:这不是大卫的子孙吗?
Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
但法利赛人听见,就说:这个人赶鬼,无非是靠著鬼王别西卜啊。
Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
耶稣知道他们的意念,就对他们说:凡一国自相纷争,就成为荒场;一城一家自相纷争,必站立不住;
Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
若撒但赶逐撒但,就是自相纷争,他的国怎能站得住呢?
Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
我若靠著别西卜赶鬼,你们的子弟赶鬼又靠著谁呢?这样,他们就要断定你们的是非。
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
我若靠著 神的灵赶鬼,这就是 神的国临到你们了。
Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
人怎能进壮士家里,抢夺他的家具呢?除非先捆住那壮士,才可以抢夺他的家财。
Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
不与我相合的,就是敌我的;不同我收聚的,就是分散的。
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
所以我告诉你们:人一切的罪和亵渎的话都可得赦免,惟独亵渎圣灵,总不得赦免。
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
凡说话干犯人子的,还可得赦免;惟独说话干犯圣灵的,今世来世总不得赦免。
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
你们或以为树好,果子也好;树坏,果子也坏;因为看果子就可以知道树。
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
毒蛇的种类!你们既是恶人,怎能说出好话来呢?因为心里所充满的,口里就说出来。
Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
善人从他心里所存的善就发出善来;恶人从他心里所存的恶就发出恶来。
Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
我又告诉你们,凡人所说的闲话,当审判的日子,必要句句供出来;
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
因为要凭你的话定你为义,也要凭你的话定你有罪。
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
当时,有几个文士和法利赛人对耶稣说:夫子,我们愿意你显个神迹给我们看。
Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
耶稣回答说:一个邪恶淫乱的世代求看神迹,除了先知约拿的神迹以外,再没有神迹给他们看。
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
约拿三日三夜在大鱼肚腹中,人子也要这样三日三夜在地里头。
fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
当审判的时候,尼尼微人要起来定这世代的罪,因为尼尼微人听了约拿所传的就悔改了。看哪,在这里有一人比约拿更大!
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
当审判的时候,南方的女王要起来定这世代的罪,因为她从地极而来,要听所罗门的智慧话。看哪!在这里有一人比所罗门更大。
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
污鬼离了人身,就在无水之地过来过去,寻求安歇之处,却寻不著。
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
于是说:我要回到我所出来的屋里去。到了,就看见里面空闲,打扫干净,修饰好了,
Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
便去另带了七个比自己更恶的鬼来,都进去住在那里。那人末后的景况比先前更不好了。这邪恶的世代也要如此。
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
耶稣还对众人说话的时候,不料他母亲和他弟兄站在外边,要与他说话。
Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
有人告诉他说:看哪,你母亲和你弟兄站在外边,要与你说话。
Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
他却回答那人说:谁是我的母亲?谁是我的弟兄?
Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
就伸手指著门徒,说:看哪,我的母亲,我的弟兄。
Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
凡遵行我天父旨意的人,就是我的弟兄姊妹和母亲了。
Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.