Mark 9

耶稣又对他们说:我实在告诉你们,站在这里的,有人在没尝死味以前,必要看见 神的国大有能力临到。
Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
过了六天,耶稣带著彼得、雅各、约翰暗暗的上了高山,就在他们面前变了形像,
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
衣服放光,极其洁白,地上漂布的,没有一个能漂得那样白。
ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
忽然,有以利亚同摩西向他们显现,并且和耶稣说话。
Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.
彼得对耶稣说:拉比(就是夫子),我们在这里真好!可以搭三座棚,一座为你,一座为摩西,一座为以利亚。
Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
彼得不知道说什么才好,因为他们甚是惧怕。
Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
有一朵云彩来遮盖他们;也有声音从云彩里出来,说:这是我的爱子,你们要听他。
Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
门徒忽然周围一看,不再见一人,只见耶稣同他们在那里。
Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
下山的时候,耶稣嘱咐他们说:人子还没有从死里复活,你们不要将所看见的告诉人。
Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
门徒将这话存记在心,彼此议论从死里复活是什么意思。
Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
他们就问耶稣说:文士为什么说以利亚必须先来?
Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.
耶稣说:以利亚固然先来复兴万事;经上不是指著人子说,他要受许多的苦被人轻慢呢?
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
我告诉你们,以利亚已经来了,他们也任意待他,正如经上所指著他的话。
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
耶稣到了门徒那里,看见有许多人围著他们,又有文士和他们辩论。
Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
众人一见耶稣,都甚希奇,就跑上去问他的安。
Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
耶稣问他们说:你们和他们辩论的是什么?
Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?
众人中间有一个人回答说:夫子,我带了我的儿子到你这里来,他被哑巴鬼附著。
Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
无论在那里,鬼捉弄他,把他摔倒,他就口中流沫,咬牙切齿,身体枯干。我请过你的门徒把鬼赶出去,他们却是不能。
ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
耶稣说:嗳!不信的世代啊,我在你们这里要到几时呢?我忍耐你们要到几时呢?把他带到我这里来吧。
Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
他们就带了他来。他一见耶稣,鬼便叫他重重的抽疯,倒在地上,翻来覆去,口中流沫。
Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
耶稣问他父亲说:他得这病有多少日子呢?回答说:从小的时候。
Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
鬼屡次把他扔在火里、水里,要灭他。你若能做什么,求你怜悯我们,帮助我们。
Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
耶稣对他说:你若能信,在信的人,凡事都能。
Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
孩子的父亲立时喊著说(有古卷:立时流泪的喊著说):我信!但我信不足,求主帮助。
Ary niaraka tamin'izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.
耶稣看见众人都跑上来,就斥责那污鬼说:你这聋哑的鬼,我吩咐你从他里头出来,再不要进去!
Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
那鬼喊叫,使孩子大大的抽了一阵疯,就出来了。孩子好像死了一般。以致众人多半说:他是死了。
Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.
但耶稣拉著他的手,扶他起来,他就站起来了。
Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
耶稣进了屋子,门徒就暗暗的问他说:我们为什么不能赶出他去呢?
Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.
耶稣说:非用祷告(有古卷在此有:禁食二字),这一类的鬼总不能出来(或作:不能赶出他去来)。
Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana ihany.
他们离开那地方,经过加利利;耶稣不愿意人知道。
Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
于是教训门徒,说:人子将要被交在人手里,他们要杀害他;被杀以后,过三天他要复活。
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
门徒却不明白这话,又不敢问他。
Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
他们来到迦百农,耶稣在屋里问门徒说:你们在路上议论的是什么?
Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
门徒不作声,因为他们在路上彼此争论谁为大。
Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
耶稣坐下,叫十二个门徒来,说:若有人愿意作首先的,他必作众人末后的,作众人的用人。
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
于是领过一个小孩子来,叫他站在门徒中间,又抱起他来,对他们说:
Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
凡为我名接待一个像这小孩子的,就是接待我;凡接待我的,不是接待我,乃是接待那差我来的。
Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
约翰对耶稣说:夫子,我们看见一个人奉你的名赶鬼,我们就禁止他,因为他不跟从我们。
Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
耶稣说:不要禁止他;因为没有人奉我名行异能,反倒轻易毁谤我。
Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
不敌挡我们的,就是帮助我们的。
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
凡因你们是属基督,给你们一杯水喝的,我实在告诉你们,他不能不得赏赐。
Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
凡使这信我的一个小子跌倒的,倒不如把大磨石拴在这人的颈项上,扔在海里。
Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
倘若你一只手叫你跌倒,就把它砍下来;
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina.
你缺了肢体进入永生,强如有两只手落到地狱,入那不灭的火里去。
倘若你一只脚叫你跌倒,就把它砍下来;
你瘸腿进入永生,强如有两只脚被丢在地狱里。
倘若你一只眼叫你跌倒,就去掉它;你只有一只眼进入 神的国,强如有两只眼被丢在地狱里。
在那里,虫是不死的,火是不灭的。
因为必用火当盐醃各人。(有古卷在此有:凡祭物必用盐醃。)
盐本是好的,若失了味,可用什么叫它再咸呢?你们里头应当有盐,彼此和睦。