Mark 5

他们来到海那边格拉森人的地方。
Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.
耶稣一下船,就有一个被污鬼附著的人从坟茔里出来迎著他。
Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,
那人常住在坟茔里,没有人能捆住他,就是用铁鍊也不能;
fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.
因为人屡次用脚镣和铁鍊捆锁他,铁鍊竟被他挣断了,脚镣也被他弄碎了;总没有人能制伏他。
Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
他昼夜常在坟茔里和山中喊叫,又用石头砍自己。
Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato.
他远远的看见耶稣,就跑过去拜他,
Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
大声呼叫说:至高 神的儿子耶稣,我与你有什么相干?我指著 神恳求你,不要叫我受苦!
sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
是因耶稣曾吩咐他说:污鬼啊,从这人身上出来吧!
satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
耶稣问他说:你名叫什么?回答说:我名叫群,因为我们多的缘故;
Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
就再三的求耶稣,不要叫他们离开那地方。
Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.
在那里山坡上,有一大群猪吃食;
Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.
鬼就央求耶稣说:求你打发我们往猪群里,附著猪去。
Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.
耶稣准了他们,污鬼就出来,进入猪里去。于是那群猪闯下山崖,投在海里,淹死了。猪的数目约有二千。
Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.
放猪的就逃跑了,去告诉城里和乡下的人。众人就来,要看是什么事。
Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
他们来到耶稣那里,看见那被鬼附著的人,就是从前被群鬼所附的,坐著,穿上衣服,心里明白过来,他们就害怕。
ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
看见这事的,便将鬼附之人所遇见的和那群猪的事都告诉了众人;
Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.
众人就央求耶稣离开他们的境界。
Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.
耶稣上船的时候,那从前被鬼附著的人恳求和耶稣同在。
Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
耶稣不许,却对他说:你回家去,到你的亲属那里,将主为你所做的是何等大的事,是怎样怜悯你,都告诉他们。
Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
那人就走了,在低加坡里传扬耶稣为他做了何等大的事,众人就都希奇。
Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
耶稣坐船又渡到那边去,就有许多人到他那里聚集;他正在海边上。
Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
有一个管会堂的人,名叫睚鲁,来见耶稣,就俯伏在他脚前,
Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony
再三的求他,说:我的小女儿快要死了,求你去按手在他身上,使他痊癒,得以活了。
ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
耶稣就和他同去。有许多人跟随拥挤他。
Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
有一个女人,患了十二年的血漏,
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona
在好些医生手里受了许多的苦,又花尽了她所有的,一点也不见好,病势反倒更重了。
sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
她听见耶稣的事,就从后头来,杂在众人中间,摸耶稣的衣裳,
koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
意思说:我只摸他的衣裳,就必痊癒。
Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
于是她血漏的源头立刻干了;她便觉得身上的灾病好了。
Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.
耶稣顿时心里觉得有能力从自己身上出去,就在众人中间转过来,说:谁摸我的衣裳?
Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
门徒对他说:你看众人拥挤你,还说谁摸我吗?
Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
耶稣周围观看,要见做这事的女人。
Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
那女人知道在自己身上所成的事,就恐惧战兢,来俯伏在耶稣跟前,将实情全告诉他。
Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
耶稣对她说:女儿,你的信救了你,平平安安的回去吧!你的灾病痊癒了。
Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.
还说话的时候,有人从管会堂的家里来,说:你的女儿死了,何必还劳动先生呢?
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
耶稣听见所说的话,就对管会堂的说:不要怕,只要信!
Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
于是带著彼得、雅各、和雅各的兄弟约翰同去,不许别人跟随他。
Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
他们来到管会堂的家里;耶稣看见那里乱嚷,并有人大大的哭泣哀号,
Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
进到里面,就对他们说:为什么乱嚷哭泣呢?孩子不是死了,是睡著了。
Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
他们就嗤笑耶稣。耶稣把他们都撵出去,就带著孩子的父母,和跟随的人进了孩子所在的地方,
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.
就拉著孩子的手,对她说:大利大,古米!繙出来就是说:闺女,我吩咐你起来!
Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
那闺女立时起来走。他们就大大的惊奇;闺女已经十二岁了。
Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.
耶稣切切的嘱咐他们,不要叫人知道这事,又吩咐给他东西吃。
Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.