Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.
Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?