Luke 8

过了不多日,耶稣周游各城各乡传道,宣讲 神国的福音。和他同去的有十二个门徒,
Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy.
还有被恶鬼所附、被疾病所累、已经治好的几个妇女,内中有称为抹大拉的马利亚,曾有七个鬼从她身上赶出来,
mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
又有希律的家宰苦撒的妻子约亚拿,并苏撒拿,和好些别的妇女,都是用自己的财物供给耶稣和门徒。
sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin'ny fananany.
当许多人聚集、又有人从各城里出来见耶稣的时候,耶稣就用比喻说:
Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
有一个撒种的出去撒种。撒的时候,有落在路旁的,被人践踏,天上的飞鸟又来吃尽了。
Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.
有落在磐石上的,一出来就枯干了,因为得不著滋润。
Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
有落在荆棘里的,荆棘一同生长,把它挤住了。
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
又有落在好土里的,生长起来,结实百倍。耶稣说了这些话,就大声说:有耳可听的,就应当听!
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
门徒问耶稣说:这比喻是什么意思呢?
Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.
他说: 神国的奥祕只叫你们知道;至于别人,就用比喻,叫他们看也看不见,听也听不明。
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9).
这比喻乃是这样:种子就是 神的道。
Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
那些在路旁的,就是人听了道,随后魔鬼来,从他们心里把道夺去,恐怕他们信了得救。
Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
那些在磐石上的,就是人听道,欢喜领受,但心中没有根,不过暂时相信,及至遇见试炼就退后了。
Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
那落在荆棘里的,就是人听了道,走开以后,被今生的思虑、钱财、宴乐挤住了,便结不出成熟的子粒来。
Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
那落在好土里的,就是人听了道,持守在诚实善良的心里,并且忍耐著结实。
Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
没有人点灯用器皿盖上,或放在床底下,乃是放在灯台上,叫进来的人看见亮光。
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
因为掩藏的事没有不显出来的;隐瞒的事没有不露出来被人知道的。
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
所以,你们应当小心怎样听;因为凡有的,还要加给他;凡没有的,连他自以为有的,也要夺去。
Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
耶稣的母亲和他弟兄来了,因为人多,不得到他跟前。
Ary renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
有人告诉他说:你母亲和你弟兄站在外边,要见你。
Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
耶稣回答说:听了 神之道而遵行的人就是我的母亲,我的弟兄了。
Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankatò azy.
有一天,耶稣和门徒上了船,对门徒说:我们可以渡到湖那边去。他们就开了船。
Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
正行的时候,耶稣睡著了。湖上忽然起了暴风,船将满了水,甚是危险。
Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
门徒来叫醒了他,说:夫子!夫子!我们丧命啦!耶稣醒了,斥责那狂风大浪;风浪就止住,平静了。
Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
耶稣对他们说:你们的信心在那里呢?他们又惧怕又希奇,彼此说:这到底是谁?他吩咐风和水,连风和水也听从他了。
Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
他们到了格拉森(有古卷:加大拉)人的地方,就是加利利的对面。
Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia izy.
耶稣上了岸,就有城里一个被鬼附著的人迎面而来。这个人许久不穿衣服,不住房子,只住在坟茔里。
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
他见了耶稣,就俯伏在他面前,大声喊叫,说:至高 神的儿子耶稣,我与你有什么相干?求你不要叫我受苦!
Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy.
是因耶稣曾吩咐污鬼从那人身上出来。原来这鬼屡次抓住他;他常被人看守,又被铁鍊和脚镣捆锁,他竟把锁鍊挣断,被鬼赶到旷野去。
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
耶稣问他说:你名叫什么?他说:我名叫群;这是因为附著他的鬼多。
Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
鬼就央求耶稣,不要吩咐他们到无底坑里去。
Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
那里有一大群猪在山上吃食。鬼央求耶稣,准他们进入猪里去。耶稣准了他们,
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
鬼就从那人出来,进入猪里去。于是那群猪闯下山崖,投在湖里淹死了。
Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany.
放猪的看见这事就逃跑了,去告诉城里和乡下的人。
Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
众人出来要看是什么事;到了耶稣那里,看见鬼所离开的那人,坐在耶稣脚前,穿著衣服,心里明白过来,他们就害怕。
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
看见这事的便将被鬼附著的人怎么得救告诉他们。
Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.
格拉森四围的人,因为害怕得很,都求耶稣离开他们;耶稣就上船回去了。
Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
鬼所离开的那人恳求和耶稣同在;耶稣却打发他回去,说:
Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
你回家去,传说 神为你作了何等大的事。他就去,满城里传扬耶稣为他作了何等大的事。
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
耶稣回来的时候,众人迎接他,因为他们都等候他。
Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
有一个管会堂的,名叫睚鲁,来俯伏在耶稣脚前,求耶稣到他家里去;
Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
因他有一个独生女儿,约有十二岁,快要死了。耶稣去的时候,众人拥挤他。
Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
有一个女人,患了十二年的血漏,在医生手里花尽了他一切养生的,并没有一人能医好他。
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
他来到耶稣背后,摸他的衣裳䍁子,血漏立刻就止住了。
Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.
耶稣说:摸我的是谁?众人都不承认。彼得和同行的人都说:夫子,众人拥拥挤挤紧靠著你。(有古卷在此有:你还问摸我的是谁吗?)
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
耶稣说:总有人摸我,因我觉得有能力从我身上出去。
Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
那女人知道不能隐藏,就战战兢兢的来俯伏在耶稣脚前,把摸他的缘故和怎样立刻得好了,当著众人都说出来。
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.
耶稣对他说:女儿,你的信救了你;平平安安的去吧!
Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
还说话的时候,有人从管会堂的家里来,说:你的女儿死了,不要劳动夫子。
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
耶稣听见就对他说:不要怕,只要信!你的女儿就必得救。
Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
耶稣到了他的家,除了彼得、约翰、雅各,和女儿的父母,不许别人同他进去。
Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
众人都为这女儿哀哭捶胸。耶稣说:不要哭。她不是死了,是睡著了。
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
他们晓得女儿已经死了,就嗤笑耶稣。
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
耶稣拉著她的手,呼叫说:女儿,起来吧!
Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
她的灵魂便回来,她就立刻起来了。耶稣吩咐给她东西吃。
Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
他的父母惊奇得很;耶稣嘱咐他们,不要把所作的事告诉人。
Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.