Luke 5

耶稣站在革尼撒勒湖边,众人拥挤他,要听 神的道。
Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
他见有两只船湾在湖边;打鱼的人却离开船洗网去了。
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
有一只船是西门的,耶稣就上去,请他把船撑开,稍微离岸,就坐下,从船上教训众人。
Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
讲完了,对西门说:把船开到水深之处,下网打鱼。
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
西门说:夫子,我们整夜劳力,并没有打著什么。但依从你的话,我就下网。
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
他们下了网,就圈住许多鱼,网险些裂开,
Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
便招呼那只船上的同伴来帮助。他们就来,把鱼装满了两只船,甚至船要沉下去。
Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
西门彼得看见,就俯伏在耶稣膝前,说:主啊!离开我,我是个罪人!
Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
他和一切同在的人都惊讶这一网所打的鱼。
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
他的伙伴西庇太的儿子雅各、约翰,也是这样。耶稣对西门说:不要怕!从今以后,你要得人了。
Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
他们把两只船拢了岸,就撇下所有的,跟从了耶稣。
Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
有一回,耶稣在一个城里,有人满身长了大痲疯,看见他,就俯伏在地,求他说:主若肯,必能叫我洁净了。
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
耶稣伸手摸他,说:我肯,你洁净了吧!大痲疯立刻就离了他的身。
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
耶稣嘱咐他:你切不可告诉人,只要去把身体给祭司察看,又要为你得了洁净,照摩西所吩咐的献上礼物,对众人作证据。
Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
但耶稣的名声越发传扬出去。有极多的人聚集来听道,也指望医治他们的病。
Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
耶稣却退到旷野去祷告。
Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
有一天,耶稣教训人,有法利赛人和教法师在旁边坐著;他们是从加利利各乡村和犹太并耶路撒冷来的。主的能力与耶稣同在,使他能医治病人。
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
有人用褥子抬著一个瘫子,要抬进去放在耶稣面前,
Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
却因人多,寻不出法子抬进去,就上了房顶,从瓦间把他连褥子缒到当中,正在耶稣面前。
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
耶稣见他们的信心,就对瘫子说:你的罪赦了。
Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
文士和法利赛人就议论说:这说僭妄话的是谁?除了 神以外,谁能赦罪呢?
Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
耶稣知道他们所议论的,就说:你们心里议论的是什么呢?
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
或说你的罪赦了,或说你起来行走,那一样容易呢?
Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
但要叫你们知道,人子在地上有赦罪的权柄。就对瘫子说:我吩咐你,起来,拿你的褥子回家去吧!
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
那人当众人面前立刻起来,拿著他所躺卧的褥子回家去,归荣耀与 神。
Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.
众人都惊奇,也归荣耀与 神,并且满心惧怕,说:我们今日看见非常的事了。
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
这事以后,耶稣出去,看见一个税吏,名叫利未,坐在税关上,就对他说:你跟从我来。
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
他就撇下所有的,起来,跟从了耶稣。
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
利未在自己家里为耶稣大摆筵席,有许多税吏和别人与他们一同坐席。
Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
法利赛人和文士就向耶稣的门徒发怨言说:你们为什么和税吏并罪人一同吃喝呢?
Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
耶稣对他们说:无病的人用不著医生;有病的人才用得著。
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
我来本不是召义人悔改,乃是召罪人悔改。
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
他们说:约翰的门徒屡次禁食祈祷,法利赛人的门徒也是这样;惟独你的门徒又吃又喝。
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
耶稣对他们说:新郎和陪伴之人同在的时候,岂能叫陪伴之人禁食呢?
Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
但日子将到,新郎要离开他们,那日他们就要禁食了。
Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.
耶稣又设一个比喻,对他们说:没有人把新衣服撕下一块来补在旧衣服上;若是这样,就把新的撕破了,并且所撕下来的那块新的和旧的也不相称。
Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.
也没有人把新酒装在旧皮袋里;若是这样,新酒必将皮袋裂开,酒便漏出来,皮袋也就坏了。
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
但新酒必须装在新皮袋里。
Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
没有人喝了陈酒又想喝新的;他总说陈的好。
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.